MANDRITSARA – TANORA 200 MAHERY TAFIDITRA AMIN`NY SEHATRA MAHA MATIHANINA AMIN`NY ASA

212 0
✦Ho afaka hampivelatra ny asa fihariany eo amin`ny fiarahamonina misy ireo tanora nahazo fiofanana nokarakarain`ny Minisiteran`ny Fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak`asa. Mandray anjara mavitrika amin`ny fanatanterahana vina 3 napetraky ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina ny Minisiteran`ny Fampianarana ara-tekinika sy fanofanana arak`asa. Ankoatra ny fampianarana ahazoana diplaoma dia misy koa ny fanofanana izay iatrehana avy hatrany ny asa. Mpiofana 231 no nahavita fiofanana ka nozarana mari-pakasitrahana androany alatsinainy 30 septambra 2024.
Fanalahidy amin`ny tsy fananan`asa ny fanofanana ireo tanora amin`ny sehatra maro mifanaraka amin`ny asa fivelomana. Atao vaindohan-draharahara araka ny fanomezana fiofanana izay. Nanambara ny Talem-paritry ny Fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak`asa, Rasolofoson Emile, fa 900 latsaka ny tanora hahazo mari-pakasitrahaa ato anatin`faritra Sofia, ny 200 mahery dia ato anatin`ny distrika`i Mandritsara no nisantarana ny famoahana ny mpiofana izay. Formation Professionnel Qualifiante, miofana 6 volana sy seha-piofanana hafa atao 3 volana, eo koa ny « vannerie » natokana ho an`ny vehivavy voafonja.
Ts tongatonga ho azy ny filamatra napetraky ny fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa hoe « Olona mahay raha rsy very mandeha »
Nitondra fisaorana ho an`ny ekipan`ny fampianarana teknika eto mandritsara ny talem-paritry teto manolona ny ezaka tsara nandritra fanadinam-panjakana farany teo. Tsara ny taham-pahafahana fanadinam-panjakana,96, 69%. Laharana faharoa maneran`ny Nosy. Nanmporisika ny rehetra hazoto handray anjara amin`ny fiofanana omen`by fanjakana toy izao ny Solombavambahoaka, Rasolomanana Beby Olivier teto. Samy nanamafy izany rahateo ireo nandray fitenena teto.
Olona manankaja maro no nanome voninahitra izao androany izay nifanindran-dalana tamin`ny lanombe nokarakarain`ny Solombavambahoaka voafidy teto Mandritsara, Rasolomanana Beby Olivier sy Razakamanana André.
Nangonin`ny Claudio.

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…