16 ANDRO IARAHA-MIENTANA AMIN’NY ADY AMIN’NY HERISETRA TRATRA NY TANJONA HO AN’NY MENABE

489 0

Toin’ny faritra rehetra dia nankalaza ny andro 16 andro iaraha-mientana amin’ny ady atao amin’ny herisetra ny tato amin’ny faritra Menabe izay niarahan’ny fitaleovam-paritry ny mponina sy ny serasera ary ny tanora sy ny fanatanjahan-tena izay notohanan’ny USAID Acces s sy ny Orange Madagascar ary ny Snack Bar RIOTSY.

Maro ny hetsika natao izay nosantarina tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra atao atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy vavy nitohy tamin’ny fidinana ifotiny izay nanaovana fanentanana sy fampihofanana ireo ray aman-dreny sy ankizy ary ny tanaora ary ny fifaninana ara-kolon-tsaina nahitana hira sy tononkalo izay nivohizana ny resaka ady amin’ny herisetra.

 Izany  dia nivelatra tamin’ireo distrika mandrafitra ny faritra Menabe ary isany nampiavaka ny hetsika tamin’ity taona ity  dia nitohy hatrany ny hetsika isan’andro eny fa na dia ny alahady aza ary tsy mifidy ora ka mihoatra ny zato isan-jatony tanjona napetraka.

 Ny sabotsy faha 09 Desambra no nanaovana ny famaranana ny hetsika izay nanaovana ny famaranana ihany koa ny fifaninana ireo hira sy tononkalo tao amin’ny trano filanonana Snack Bar RIOTSY notronon’ireo tanora sy ray aman-dreny maro isan-karazany ary tsy rava raha tsy tamin’ny sivy ora sasany alina.

 Tiana ny manamarina fa isan’ireo trano filanonana mahazo olona maroindrindra fa ny tanora isan’andro eto Morondava ny Snack Bar RIOTSY ary tsy mihidy hatramin’ny maraina raha mbola misy olona mifety sy misotro ao aminy ka izay no nahatonga ny famaranana ny hetsika notanterahina tao ; tsy mijanona hatreo anefa ny hetsika hoy ny talem-paritry ny mponina sy ny fiahiana ny vehivavy ato Menabe fa fanairana ihany iny hetsika iny fa ny fanentanana dia mitohy mandavan-taona ka miantso ny rehetra handray andraikitra hiara hiady amin’ny herisetra.

Nangonin’i RaPa Menabe

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑’𝐈𝐌𝐄𝐑𝐈𝐓𝐒𝐈𝐀𝐓𝐎𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐇𝐈𝐓𝐑𝐈𝐍𝐘

Posted by - décembre 7, 2025 0
Kaominina iray amin’ireo 23 mandrafitra ny faritra Itasy ao anatin’ny distrikan’ny Arivonimamo ny kaominina ambonivohitr’Imeritsiatosika , manana velaran-tany mirefy 173Km²…