MANDRITSARA – TANORA 200 MAHERY TAFIDITRA AMIN`NY SEHATRA MAHA MATIHANINA AMIN`NY ASA

325 0
✦Ho afaka hampivelatra ny asa fihariany eo amin`ny fiarahamonina misy ireo tanora nahazo fiofanana nokarakarain`ny Minisiteran`ny Fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak`asa. Mandray anjara mavitrika amin`ny fanatanterahana vina 3 napetraky ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina ny Minisiteran`ny Fampianarana ara-tekinika sy fanofanana arak`asa. Ankoatra ny fampianarana ahazoana diplaoma dia misy koa ny fanofanana izay iatrehana avy hatrany ny asa. Mpiofana 231 no nahavita fiofanana ka nozarana mari-pakasitrahana androany alatsinainy 30 septambra 2024.
Fanalahidy amin`ny tsy fananan`asa ny fanofanana ireo tanora amin`ny sehatra maro mifanaraka amin`ny asa fivelomana. Atao vaindohan-draharahara araka ny fanomezana fiofanana izay. Nanambara ny Talem-paritry ny Fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak`asa, Rasolofoson Emile, fa 900 latsaka ny tanora hahazo mari-pakasitrahaa ato anatin`faritra Sofia, ny 200 mahery dia ato anatin`ny distrika`i Mandritsara no nisantarana ny famoahana ny mpiofana izay. Formation Professionnel Qualifiante, miofana 6 volana sy seha-piofanana hafa atao 3 volana, eo koa ny « vannerie » natokana ho an`ny vehivavy voafonja.
Ts tongatonga ho azy ny filamatra napetraky ny fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa hoe « Olona mahay raha rsy very mandeha »
Nitondra fisaorana ho an`ny ekipan`ny fampianarana teknika eto mandritsara ny talem-paritry teto manolona ny ezaka tsara nandritra fanadinam-panjakana farany teo. Tsara ny taham-pahafahana fanadinam-panjakana,96, 69%. Laharana faharoa maneran`ny Nosy. Nanmporisika ny rehetra hazoto handray anjara amin`ny fiofanana omen`by fanjakana toy izao ny Solombavambahoaka, Rasolomanana Beby Olivier teto. Samy nanamafy izany rahateo ireo nandray fitenena teto.
Olona manankaja maro no nanome voninahitra izao androany izay nifanindran-dalana tamin`ny lanombe nokarakarain`ny Solombavambahoaka voafidy teto Mandritsara, Rasolomanana Beby Olivier sy Razakamanana André.
Nangonin`ny Claudio.

Related Post

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀

Posted by - avril 16, 2025 0
𝐅𝐈𝐓𝐀𝐋𝐄𝐕𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀 𝐂𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀/ 𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎𝐀𝐌𝐁𝐎 𝐎𝐍𝐆 « 𝐒𝐄 𝐓𝐄𝐍𝐃𝐑𝐄 𝐋𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐍 »/ 𝐅𝐎𝐍𝐃𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐀𝐗𝐈𝐀𝐍/𝐘𝐀𝐒 𝑵𝑶𝑻𝑶𝑲𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑬𝑷𝑷 𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑨𝒁𝑨𝐕𝑨…