饾悐饾悁饾悗饾悓饾悎饾悕饾悎饾悕饾悁 饾悁饾悓饾悂饾悗饾悋饾悎饾悓饾悁饾悕饾悊饾悁 饾悜饾悗饾悤饾悁 | 饾悈饾悁饾悓饾悗饾悜饾悁饾悕饾悁 饾悈饾悁饾悗饾悂饾悇

473 0
Zazalahy kely miisa 87 no natao famorana聽 聽tao anatin’ny Roa andro teto anivon’ny Kaominina Ambohimanga Rova, ato anatin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano – Officiel.
Ny AFF Avaradrano no namatsy aram-pitaovana, sy nanolotra ny Kilalao entina hamalifaliana ny kilonga, fa ny fiadidian’ny tanana, izay tarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanana Ndrina R么r么 koa no niantsoroka y efitrano, ny mpandidy sy ny sisa.
Tosika natao hanampiana ireo mpiara-belona no sady hadidy kely mba vita izao hoy ny Ben’ny tanana raha nanontaniana mahakasika ity hetsika ity, ary tsy vao sambany izao hetsika Sosialy miantefa amin’ny vahoaka izao no natao fa efa fanaon’ny Kaominina tantanany.
Hisy ihany koa solom-boadiakoho hozaraina hoan’ireo Zokiolona eto an-tanana, ankatok’izao Asaramanitra izao, raha araka ny fanazavana ity farany hatrany, ary izany no natao dia mba hiaraha-mifety sy mifaly. Mirary Asaramanitra lavitry ny ankaso, ho ampoky ny soa, ary ho ambin’Ilay Nahary hatrany, hoy ny Ben’ny tanana.
Aza ela fery ny kilonga ary arahaba ririnina e!
Nangonin ‘Lay Mahintsy
馃摲:Ndrina R么r么 – Ben’ny Tanana Ambohimanga Rova

Related Post