Faritra Vakinankaratra | Fankalazàna ny fetin’ny Fahaleovan-tena.

203 0

Nanatanteraka vavaka ho an’ny Firenena ny FFKM(Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Madagasikara) omaly alahady 23 jona 2024,tao amin’ny Paroasy katedraly eto antsirabe. Mpitarika ny Biraon’ny FFKM sampana Antsirabe.

Nizara ny tenin’Andriamanitra  ny Pastora Dr RAKOTOVELOMANATSOA Fenonirina Alain FLM(Fiangonana Loterana Malagasy) Antampon-tanàna. Nanentanany ny mpino Kristianina ny iainan’ny malagasy ny fitiavana marina sy tsy manavakavaka na iza, na iza ary mitsinjo ny mahantra.

Ankoatr’izay, nentina am-bavaka manonkana  ny mpitandro Filaminana sy ny Foloalindahy mba ho tena « Tandroka Aron’ny Vozona »  ka hiaro ny vahoaka sy ny fananany, hampanjaka ny fandriampahalemana manerana ny Nosy ary tsy ho voazarazaran’ny hevitra tsy mitovy.

Tsiahivina hatrany fa 64 taona amin’ny 26 Jona ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara.

Nangonin’i  HAJA – Vakinankaratra

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮

Posted by - juillet 22, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮 (𝑺𝒂𝒎𝒚 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕 𝒍𝒊𝒃𝒓𝒆, 𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒆𝒓𝒗𝒊𝒄𝒆 𝒅`𝒆𝒙𝒂𝒎𝒆𝒏 𝒗𝒐𝒍𝒂 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒕𝒂𝒇𝒊𝒅𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕…