Faritra Menabe nanao fanambarana ny comité de paix

538 0
Manoloana ny ezaka ataon’ny mpitandron’ny filaminana ato Menabe izay ahitana vokatra tsara ny comité de paix dia manao izao fanambarana izao :
 
Izahay Ray amandreny ato Menabe mitambatra ato amin’ny Comité de Paix dia mahita sy mahatsapa fa manomboka misy vokany mipaka any amin’ny vahoaka izay nandry anjiranantsy teo aloha ny ezaka momba ny fampandriam_pahalemana, izay ifarimbonan’ny rehetra ahitana ny OMC tarihin’ny Préfet, ny filohampokotany indrindra fa ny mpitandro filaminana mitambatra tsy ankanavaka sy ny Ray aman_dreny rehetra isantokantrano.
 
Eo rahateo izahay ato amin’ny Comité de paix izay tsy mitrahatra mifanatona amin’ireo vodrompahefana voakaisk’io olana momba ny isanambaratongany mba hampahomby ny ady atao hamongorana ny asandahalo.
Noho izany, maniry izahay ato aminny Comité de paix mba hitohy hatrany ny ezaka fampandriantany izay ataon’ny Fanjakana ato Menabe ao anatin’ny fanajana ny lalana velona eto Madagsikara, mba hahafan’ny vahoakan’ny Menabe miaina ao anatin’ny filminana sy miasa ampitoniana ho fampandrosoana ny faritra.
 
Nangonin’i Ra Pa

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐎𝐂𝐓𝐎𝐁𝐑𝐄 𝟐𝟎𝟐𝟑 | 𝐌𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐚𝐫𝐢𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐃𝐞́𝐥𝐞́𝐠𝐮𝐞́ 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐬𝐢𝐛𝐞 𝐕𝐚𝐯𝐚𝐭𝐞𝐧𝐢𝐧𝐚

Posted by - janvier 9, 2024 0
𝐅𝐀𝐌𝐎𝐍𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈 𝐑𝐈𝐒𝐂𝐎 𝐎𝐂𝐓𝐎𝐁𝐑𝐄 𝟐𝟎𝟐𝟑 | 𝐌𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐚𝐫𝐢𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐃𝐞́𝐥𝐞́𝐠𝐮𝐞́ 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐬𝐢𝐛𝐞 𝐕𝐚𝐯𝐚𝐭𝐞𝐧𝐢𝐧𝐚 📌 RISCO ,ilay tovolahy maty rehefa…

B I A N C O TOLIARA

Posted by - décembre 10, 2023 0
B I A N C O TOLIARA 20 Taona androany no nanaovana ny fifanarahana Iraisam-pirenena entina hiadiana amin’ny kolikoly.  …