𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐇𝐈𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀 𝐑𝐎𝐕𝐀 | 𝐅𝐀𝐌𝐎𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐎𝐁𝐄

822 0
Zazalahy kely miisa 87 no natao famorana   tao anatin’ny Roa andro teto anivon’ny Kaominina Ambohimanga Rova, ato anatin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano – Officiel.
Ny AFF Avaradrano no namatsy aram-pitaovana, sy nanolotra ny Kilalao entina hamalifaliana ny kilonga, fa ny fiadidian’ny tanana, izay tarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanana Ndrina Rôrô koa no niantsoroka y efitrano, ny mpandidy sy ny sisa.
Tosika natao hanampiana ireo mpiara-belona no sady hadidy kely mba vita izao hoy ny Ben’ny tanana raha nanontaniana mahakasika ity hetsika ity, ary tsy vao sambany izao hetsika Sosialy miantefa amin’ny vahoaka izao no natao fa efa fanaon’ny Kaominina tantanany.
Hisy ihany koa solom-boadiakoho hozaraina hoan’ireo Zokiolona eto an-tanana, ankatok’izao Asaramanitra izao, raha araka ny fanazavana ity farany hatrany, ary izany no natao dia mba hiaraha-mifety sy mifaly. Mirary Asaramanitra lavitry ny ankaso, ho ampoky ny soa, ary ho ambin’Ilay Nahary hatrany, hoy ny Ben’ny tanana.
Aza ela fery ny kilonga ary arahaba ririnina e!
Nangonin ‘Lay Mahintsy
📷:Ndrina Rôrô – Ben’ny Tanana Ambohimanga Rova

Related Post

𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀𝐕𝐎𝐀𝐕𝐎 | 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐀𝐍-𝐉𝐀𝐓𝐎𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐊𝐓𝐀𝐑𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍𝐀 “𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐎𝐕𝐀”

Posted by - novembre 4, 2025 0
« 𝑨𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂𝒚, 𝒔𝒐𝒍𝒐𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐𝒏𝒂𝒚 𝒏𝒐𝒅𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂𝒐, 𝒂𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 𝒏𝒚 𝒗𝒐𝒌𝒂𝒕𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒈𝒂𝒍𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐… 𝑭𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒋𝒐𝒓𝒐 𝒐̂! 𝑽𝒐𝒏𝒋𝒆𝒐 𝒓𝒆 𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒚 !…