๐“๐€๐Ž๐‹๐€๐†๐๐€๐‘๐Ž : ๐๐ข๐Ÿ๐š๐ซ๐š๐ง๐š ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ข๐ฌ๐ฒ ๐ก๐ž๐ซ๐ข๐ฌ๐ž๐ญ๐ซ๐š ๐ง๐ฒ ๐ฌ๐š๐ค๐š๐ง๐š ๐ญ๐ž๐ง๐ฒ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐ฅ๐š๐ฅ๐š๐ง๐š ๐ฆ๐š๐ง๐ค๐š๐ง๐ฒ ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐จ๐ซ๐ข๐ง๐š๐ฌ๐š ๐๐Œ๐Œ

21 0
Nisy ny hetsika fitakiana nataonโ€™ireo mponina avy ao Andranokana, izay mitaky ny zony aminโ€™ny raharaha mahakasika ny fandoavana ny anjara vola tokony ho azonโ€™izy ireo. Nosakanana nandritra izany ny lalana mankany aminโ€™ny orinasa QMM.
Omaly Alahady, tokony ho taminโ€™ny 10 ora sy 27 minitra, dia noravana ny sakana nataonโ€™ireo mpitaky ny zony. Tsy nisy ny herisetra taminโ€™izany, fa vokatry ny fifampiresahana sy ny fanelanelanana nataonโ€™ireo Raiamandreny sy ny solontenam-panjakana eto Taolagnaro.
Tsiahivina fa efa nisy ny fifampiresahana teo aminโ€™ny roa tonta, saingy mbola tsy nahitana marimaritra iraisana hatreto. Araka ny fanazavanโ€™ireo mpitaky, dia efa nisy ny didim-pitsarana nivoaka momba ity raharaha ity, ka milaza izy ireo fa efa nahazo rariny teo anivonโ€™ny fitsarana.
Na izany aza, mbola mijanona ho olana ny tsy fahitana vahaolana aminโ€™ny fomba fampiharana izany, ka mitaky fifampiresahana sy fifanarahana mazava eo aminโ€™ny andaniny sy ankilany.
Tapaka nandritra ny fifampiresahana omaly fa hisy fivoriana indray androany tolakandro, izay hiarahanโ€™ireo mpitaky ny zony, ny tomponโ€™andraikitry ny orinasa QMM, ireo Raiamandreny eto Fort-Dauphin ary ny solontenam-panjakana eto an-toerana.
Antenaina fa hitondra vahaolana maharitra izao fifampidinihana izao, indrindra fa ny fivelomanโ€™ireo mponina ao Andranokana no voalaza fa voakasika mivantana. Manana ahiahy izy ireo fa ny olana momba ny tany sy ny fahafahana mamboly dia mety hanasarotra hatrany ny fiainanโ€™ireo tantsaha.
Mbola miandry ny vokatry ny fifampiresahana kasaina hatao androany ร ry ny mponina sy ireo voakasika rehetra, aminโ€™ny fanantenana fa hahitana vahaolana ekenโ€™ny roa tonta.

Related Post

๐…๐ˆ๐“๐€๐‹๐„๐•๐€๐Œ-๐๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐๐„๐€๐™๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐Ž๐‘๐Ž๐’๐ˆ ๐Œ๐€๐๐ˆ๐€

Posted by - avril 16, 2025 0
๐…๐ˆ๐“๐€๐‹๐„๐•๐€๐Œ-๐๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐๐„๐€๐™๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐Ž๐‘๐Ž๐’๐ˆ ๐Œ๐€๐๐ˆ๐€ ๐‚๐ˆ๐’๐‚๐Ž ๐€๐Œ๐๐Ž๐’๐ˆ๐“๐‘๐€/ ๐™๐€๐ ๐€๐๐Š๐€๐™๐Ž๐€๐Œ๐๐Ž ๐Ž๐๐† ยซย ๐’๐„ ๐“๐„๐๐ƒ๐‘๐„ ๐‹๐€ ๐Œ๐€๐ˆ๐ย ยป/ ๐…๐Ž๐๐ƒ๐€๐“๐ˆ๐Ž๐ ๐€๐—๐ˆ๐€๐/๐˜๐€๐’ ๐‘ต๐‘ถ๐‘ป๐‘ถ๐‘ฒ๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ต๐’€ ๐‘ฌ๐‘ท๐‘ท ๐‘จ๐‘ด๐‘ท๐‘จ๐‘ต๐‘จ๐’๐‘จ๐•๐‘จ…