Morondava faritra mena amin’ny tsimokaretina VIH/SIDA?

429 0

Androany 9 Décembre no nankalazana ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny Tsimokaretina VIH/SIDA ny teto amin’ny renivohitry ny faritra Menabe raha tokony tamin’ny 1 décembre lasa teo no ivon’ny fankalazana ny antony dia nohon’ny voina izay nitranga teo amin’ny tompon’andraikitra ny fahasalamana tato Menabe, lohahevitra tamin’ity taona ity moa ny hoe  » ankino amin’ny fiaraha _monina ny ady atao amin’ny VIH/SIDA » dia_be namakivavaky ny tanana no nanombohana ny fotoana ary nitohy tamin’ny kabary nifandim_biasan’ ireo tomponandraikim-panjakana sy mpiantsehatra amin’ny ady amin’ny SIDA ary ny fanaovana fitiliana fahobe izay notarihiny préfet ny Morondava Andriamatoa Rafidison Fidèle izay nanindry mafy fa tsy ampy ny fanentanana satria mirongatra hoy izy ny fiarahan’ny lahy samy lahy sy vavy samy vavy ary ireo mpampanofa tena sy ireo trano fandraisam_bahiny saingy toa adino ny fanentanana azy ireny ka hiezahina ny hanentanana azy ireny ary hamafisina ny fanarahamaso ny fahasalaman’ireo mpampanofa tena, eo koa ny fanentanana ireo tanora sy ny rehetra amin’ny ady atao amin’ny SIDA.

Na dia malaza fa anatin’ny faritra mena amin’ny SIDA ary Morondava dia tsy hita sady tsy azo ny atotan’isa manamporofo izany koa manontany tena ny rehetra hoe inona moa zany ny porofo fa tafiditra anaty faritra Mena amin’ny SIDA Morondava?

Satria ireo tomponandraikitra rehetra nanotaniana taty an_toerana dia milaza fa tsy misy atotan’isa azo lazaina sy omena ny fitiliana faobe moa dia ny préfet ny Morondava no natao voalohany narahin’ireo olom_panjakana eto Morondava tonga nanatrika ny fotoana ary ireo mpanao gazety avy amin’ny haino vaky jery avy amin’ny tsy miankina izay nahitana ny TV PLUS, Kolo Tvfm, valosoa ary ny Feon’ny Demokrasia Malagasy, tsy dia nanaitra olo firy moa ny hetsika fa saika ireo mpianatra avy amin’ny ISCAMEN sy ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana no maro an’isa nanatrika ity fotoana ity, ho an’ny TAFIKA kosa dia mitohy androany tolakandro ny fotoana ka hisy ny fitiliana ho an’ireo miaramila sy ny vady ama-janany izay atao ao amin’ny Toby Bataillon d’infanterie Moronadava.

Nangonin’i RaPa Menabe

Related Post

𝐈𝐒𝐓𝐇–𝐄𝐗𝐂𝐄𝐋𝐋𝐄𝐍𝐂𝐄 : 𝐃𝐈𝐀 𝐅𝐈𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐎𝐑𝐈𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐕𝐀-𝐌𝐈𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀

Posted by - mars 31, 2026 0
Antananarivo / Morondava — Nanatanteraka dia fibeazana ( 𝙑𝙤𝙮𝙖𝙜𝙚 𝙙’𝙚́𝙩𝙪𝙙𝙚) tany Morondava ny Sekoly Ambony tsy miankina 𝗜𝗦𝗧𝗛–𝗘𝘅𝗰𝗲𝗹𝗹𝗲𝗻𝗰𝗲, ka mpianatra…