BETIOKY ANTSIMO || NAHAZO VONDROTOBIM-PARITRA VAOVAO

15 0
Feno ny fe-petra maha vondron-tobim-paritra (Compagnie territoriale de la Gendarmerie Nationale) an’i Betioky Antsimo raha mbola nitambatra tamin’ny Ampanihy izy teo aloha (cellule de coordination Betioky atsimo.).
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy izany androany ka ny Jeneraly ZIPA Jean Hubert, Sekretera Jeneralin’ny Ministera Delege misahana ny Zandarimaria, sy ny Jeneraly MAMELISON Mbina Nonos, no Tonga nanatanteraka izany, notronin’ireo manam-pahefana izay notarihan’ny Prefen’i Toliara IBRAMDJEE Bruno.
Ny Distrikan’i Benenitra sy Betioky no sahanin’ity Compania vaovao ity izay nampifanarahana amin’ny fitsinjarana ny lafin-tany (Découpage Administratif), mba hahamora sy hanafainganana ny baiko raisina eo amin’ny fanatanterahana ny asa.
Tafapetraka eto Betioky arak’izany ireo fitaovana ilaina sy mifandrify amin’izany.
« FAFANDRIAMPAHALEMANA MIPAKA SY TSAPAN’NY VAHOAKA »

Related Post

𝗠𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗘𝗦𝗜𝗔

Posted by - février 19, 2026 0
𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨, 𝟏𝟖 𝐅𝐞𝐛𝐫𝐨𝐚𝐫𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗠𝗣𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗦𝗔: 𝗠𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟮𝟬 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬…

𝐇𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐞𝐧𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐢𝐡𝐨𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐞𝐟𝐲, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐑𝐚𝐤𝐨𝐭𝐨𝐦𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚

Posted by - octobre 11, 2025 0
Antananarivo — Nanao fanambarana manokana ireo manamboninahitra ambony mitana ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, tarihin’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Jean Herbert Rakotomalala,…