HANDISPORT : NAHAZO FANAMPIANA NY LIGIN’NY MENABE SY NY FEDERASIONINA

199 0

Hofiatrehana ny fiadiana ny tompon-dakan’ny Madagasikara eo amin’ny fanatanjahan-tena ho an’ireo olona manana fahasembanana izay atao eto Morondava dia nitondra fanampiana ho an’ny ligin’ny handisport sy ny federasionina ny handisport androany faha 4 Aogositra ny filankevitra kaominaly kaominina Ambonivohitry Morondava sy ny fikambanana Morondava ro teako ka vola mitentina 250.000 Ariary no natolotra ho an’ny ligin’ny handisport ary 250.000 Ariary ihany koa no natolotra ho an’ny federasionina ka nisolon-tena ny filohan’ny filankevitra kaominaly sy ny fikambanana Morondava ro teako Ramatoa Pulchérie Davidson ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra kaominaly notarihin’ny filoha lefitra sy Patrick Davidson izay sady mpikambana ao amin’ny filankevitra kaominaly no avy amin’ny fikambanana Morondava ro teako.

✍️RA PA

Related Post

Mandritsara, mitohy ny ezaka fanarenana ny tontolo iainana

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐢𝐭𝐨𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨 𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 (𝑯𝒂𝒎𝒆𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒕𝒊𝒌𝒂𝒔𝒂 𝒊𝒂𝒓𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐 𝒊𝒂𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑴𝒂𝒓𝒐𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒏𝒐, 𝒎𝒊𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒕𝒊-𝒃𝒐𝒍𝒂 𝒏𝒂𝒑𝒆𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂…