π…π„π’π“πˆπ•π€π‹ ππŽπ“π‘π˜ π€ππƒπ‘πŽ 𝐅𝐀𝐇𝐀 π“π„π‹πŽ ππ€π‘π„π’π€πŠπ€ 𝐍𝐘 π“π„ππ˜ 𝐀𝐍-πƒπ‘π€ππŽπŒπ€π’πˆππ€

251 0

Mitohy hatrany ny festival Botry an-diany faha roa ka ny fifaninana teo amin’ny cours Botry no nisantarana izany androany ka naresaka tanteraka ny morintsiraky Belo sur MerΒ ; 18 ireo botry nandray anajara tamin’izany ary nizotra ampilaminana izany ka samy afa-po ny rehetra na ny mpandray anajara na ireo olona marobe tonga niatrika izany Β ary nitohy tamin’ny baolina kitra lalaovina eo amin’ny fasika moa izany ary tomefy olona ihany koaΒ ; Niatrika ny hetsika rehetra hatrany moa ny ben’ny tatanan’ny kaominina ambanivohitry Belo sur Mer sy ny talemparitry ny fizahanan-tany ato Menabe ary ny filoha mpanorona ny Groupe Kimony .

Nanomboka androany atoandro ihany koa ny fihomanana amin’ny jotro botry izay atao rapitso ka ny fotoam-pivavahana no nanombohana izany narahin’ny fampisehoana nataon’ireo an-tokompihira avy amin’ireo fiangonana eto Belo sur Mer ka mitohy amin’ny tsimandrimandry androany hariva .

Toin’ny isak’ariva moa dia misy hatrany ny fampisehoana ataon’ireo mpanan-kanto eo amin’ny Village Soa fahitse izay toerana ivon’ny hetsika amin’ity Festival ityΒ ; hatreto dia samy faly ny rehetra ary nitombo maro ireo mpandray anjara sy ny mpanotrotra ity festival botry ity .

Nangonon’i RA PA

Related Post

Analanjirofo Vakoka sy Kolontsaina | Ministera Miasa amin’ny Vakoka

Posted by - juin 1, 2025 0
π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€ππ€π‹π€ππ‰πˆπ‘πŽπ…πŽ | 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐑𝐲 𝐧𝐲 𝐝𝐒𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐦𝐩𝐒𝐝𝐒𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐚𝐀𝐨𝐀𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐍𝐨𝐬𝐲 π’πšπ’π§π­πž 𝐌𝐚𝐫𝐒𝐞 𝐧𝐲 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 π’πžπ«πšπ¬πžπ«πš 𝐬𝐲 𝐧𝐲…