Barea Chan manohy ny fanazaran- tena eto Pretoria Afrique du Sud

158 0
Mbola manohy ny fanazaran- tena eto Pretoria Afrique du Sud ny Barea Chan hatramny anio.
Ny Asabotsy teo dia nandresy tamn isa 2 sy 0 ny ekipan-tsika Malagasy nanoloana ny Eswatini, lalao natao teto Lucas Maesterpiecea Moripe Staduim Pretoria Afrique du Sud.
Ny lalao famerenana dia hatao any Maurice ao amin’ny kianja Côte d’or National Sports Complex Maurituis ny andron’ny 29 Déc 2024 izao.
Dingana iray lehibe ho any Barea Chan io lalao miverina io satsia ny tongotra ilany dia efa any amn fifaninana CHAN TOTAL ENERGIES amn taona 2025 raha tahiny ka tafita eo ,efa manana tombon’isa 2 ny Malagasy amin’izao fotoana izao.
Vonona ny mpilalao izay hiainga rapitso ny sasany ary amn Alakamisy ny ampahany farany hamonjy any Nosy Maurice ,izany hoe any an tany lavitra izany no manao Krismasy by Barea Chan sy ireo délégation miaraka amny.
Mirary fety sambatra antsika rehetra any an tanindrazana ny tenanay aty e
Nangonin’i Ado Andry

Related Post

Mandritsara, mitohy ny ezaka fanarenana ny tontolo iainana

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐢𝐭𝐨𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨 𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 (𝑯𝒂𝒎𝒆𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒕𝒊𝒌𝒂𝒔𝒂 𝒊𝒂𝒓𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒐𝒏𝒕𝒐𝒍𝒐 𝒊𝒂𝒊𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑴𝒂𝒓𝒐𝒕𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒏𝒐, 𝒎𝒊𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒕𝒊-𝒃𝒐𝒍𝒂 𝒏𝒂𝒑𝒆𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂…