Notanterahina tao aminโny kianja Ramarika, ny alakamisy 28 mey 2026, ny lanonam-panokafana ofisialy ny fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly eo anivonโny CISCO Marovoay. Mitondra ny anarana hoe โSarombaka 2026โ ity hetsika ity, izay mampivondrona ireo sekoly sy faritra pedagogika samihafa ao aminโny distrika.
Tonga nandray anjara avokoa ireo ZAP 13 ao anatinโny CISCO Marovoay, maneho ny firaisankina sy ny fahavononanโny tanora mpianatra aminโny sehatry ny fanatanjahantena. Marihina fa ireo ekipa sy mpandresy mendrika indrindra aminโity fifaninanana ity no hisolo tena anโi Marovoay aminโny fifaninanana rejionaly izay hatao any aminโny faritra Boeny.
Nanome voninahitra ny lanonana ireo tomponโandraiki-panjakana sy olo-manankaja maro, isanโizany ny solontenanโny lehibenโny distrika, ireo parlemantera, ny PDS-nโi Marovoay, ny tomponโandraikitra misahana ny fanatanjahantena ao aminโny CISCO, ary koa ireo manampahefana sivily sy miaramila.
Ankoatra ny fifaninanana ara-panatanjahantena dia mikendry ihany koa ny hampiroborobo ny soatoavina toy ny firaisankina, ny fifanajana ary ny fahaiza-miara-miasa eo aminโny samy mpianatra ny hetsika โSarombaka 2026โ.
Hitohy mandritra ny andro maromaro ny fifaninanana, ka aorianโizany vao ho fantatra ireo hisolo tena ny distrikanโi Marovoay aminโny dingana manaraka.




