FORT-DAUPHIN:FIVAMI TAOLAGNARO: DIABE NIARAHANA TAMIN’NY TOMPON’ANDRAIKITRA AMBONIN’NY TAFIKA

154 0

Notontosaina ny sabotsy 23 aogositra 2025 nanomboka tamin’ny 07 ora sy sasany maraina tao Taolagnaro ny diabe na  » randonnée » nokarakarain’ny fikambanan’ny vady miaramila (FIVAMI) teo anivon’ny Fari-piarovana sy Filaminana MANDRARE.

Tonga nanome voninahitra sy nandray anjara mavitrika tamin’izao diabe izao ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy sy Ramatoa vadiny, notronon’ny Jeneraly DERAMASINJAKA Manantsoa Rakotoarivelo, Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy Ramatoa vadiny, ny Jeneraly RAKOTOSON Jocelyn, Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety sy Ramatoa vadiny, ny Amiraly TSIRINIAINA Gabriel, lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina sy Ramatoa vadiny, ireo Tale Jeneraly sy Tale eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ny ratsamangaikany ombam-bady avy, ary ny fikambanan’ny vady miaramila FIVAMI tany an-toerana.

Izany diabe izany dia niainga teo anoloan’ny Holafy fahatelo misahana ny vonjy voina na « 3eme Unité de Protection Civile », nahazo ny tanàna Ampasikabo, Ankabo, Libanona, Bazaribe, ary nifarana tao amin’ny tobin’ny « Bataillon Infanterie Taolagnaro ». Narahina fanalana vokona na « étirement » izao hetsika izao, izay natao teo amin’ny kianja malalaky ny toby. Nofaranana tamin’ny lalao taranja « basket ball » ny diabe izay nihaonan’ireo samy vady miaramila.
Ny tanjona tamin’izao hetsika izao dia ny fikolokoloana ny ara-pahasalamana sy fitsimbinana ny ara-batana ho an’ireo mpandray anjara rehetra. Eo ihany koa ny fanamafisana ny tarigetran’ny FIVAMI mifototra amin’ny  » Fifankatiavana -Firaisankina- Fifanampiana », ary farany ho fanomezana ohatra tsara ho an’ny mpiara-belona sy ny fiaraha-monina, satria ny fikolokoloana ny vatana dia antoka hahazoana fahasalamana sy hitazomana ny fahavitrihina.
ARRONE KENNEDY.

Related Post

Fikambanana TAHIO GN’ATEGNA | TOURNOI FOOT-BALL COUPE AOMBY MATAVY

Posted by - janvier 8, 2024 0
𝐅𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐙𝐎𝐌𝐀 𝟎𝟓 -𝟎𝟏-𝟐𝟎𝟐𝟒 | 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐀𝐇𝐈𝐎 𝐆𝐍’𝐀𝐓𝐄𝐆𝐍𝐀 | 𝐓𝐎𝐔𝐑𝐍𝐎𝐈 𝐅𝐎𝐎𝐓-𝐁𝐀𝐋𝐋 𝐂𝐎𝐔𝐏𝐄 𝐀𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐌𝐀𝐓𝐀𝐕𝐘 𝐌𝐢𝐢𝐬𝐚 𝟓 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐅𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝟐𝟒 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚…