π…πŽπ‘π“-πƒπ€π”ππ‡πˆπ| π…πˆπ…π€πŒπˆππƒπ‘π€πŒ-ππˆπ“π€ππ“π€ππ€ 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀-πŠπŽπŒπˆππˆππ€ π€πŒππŽππˆπ•πŽπ‡πˆπ“π‘π˜ π“πŽπ‹π€π†ππ€π‘πŽ

56 0

Tao anatin’ny firahalahiana sy mangarahara ny fifamindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa; RANDRIANIAINA Georges Mamy Ben’ny tanana teo aloha sy Andry ANDRIAMAHASORO Ben’ny tanana voafidy mitantana ny Kominina amin’izao fotoana izao.

Nasaina manokana nanome voninahitra ity lanonana ity ny Governoran’ny Faritra AnΓ΄sy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA izay nisaotra ny Ben’ny tanana teo aloha tamin’ny fiarahamiasa rehetra tamin’ny Faritra AnΓ΄sy, ary nanamafy ny maha zavadehibe ny firaisankina sy ny fifanomezan-tΓ nana ho fampandrosoana ireo Kominina rehetra araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay fomba fiasa efa mipetraka eo amin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ato anatin’ny Faritra AnΓ΄sy.

Nangonin’i ARRONE KENNEDY.

Related Post

πƒπ’π¬π­π«π’π€πš π€π§π­π¬π’π«πšπ›πž 𝐈 | π…π’πŸπ’ππ’πšπ§πšπ§πš 𝐀𝐚𝐨𝐦𝐒𝐧𝐚π₯𝐲.

Posted by - dΓ©cembre 8, 2024 0
Mifarana androany 08 Desambra ny lisitry ny mpifidy natovana « OrdonnanceΒ Β» avy amin’ny didim-pitsarΓ na ambaratonga voalohany(TPI)Antsirabe ho an’ny Distrika Antsirabe I.…