Toamasina: Vita soa aman-tsara ny Hetsika fitsaboana sy fizaham-pahasalamana,izay nataon’ny AST

406 0
Toamasina: Vita soa aman-tsara ny Hetsika fitsaboana sy fizaham-pahasalamana,izay nataon’ny AST ( Association Santé pour Tous Madagascar) izay naharitra roa herinandro tao amin’ny Centre Medical Vonjy Mangarano.
Ny CRMF ( Caring Response Madagascar Foundation) no nanolo-tanana azy ireo tamin’izany. Ny CRMF izay ahitàna mpitsabo avy any Ivelany.
Nisy ny fifanakalozana ,fifampizaràna traik’efa nifanaovan’ireo Mpitsabo mivondrona amin’ny AST sy ny CRMF, ary nomena fiofanana manokana ireo mpianatra mpitsabo efa hamarana ny fianarany izay miisa 8 minadahy ka notolorana mari-pahaizana omaly.
 » Hanatsara ny fahaiza-manao amin’ny fisahanana ny asa mahakasika ny fahasalamam-bahoaka ny fahazahoana traik’efa vaovao,ary manampy betsaka an’ireo mpitsabo Tanora vo hiditra amin’ny sehatry ny asa ihany koa, ny fifanakalozana nisy tamin’ny CRMF hoy I Docteur Ralison Andrinirina Filoham-boninahitry ny AST.
Nangonin’i Claudia TSITOLOMY

Related Post

Ny Kolonely Ratsimandrava Richard

Posted by - février 11, 2024 0
Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin’ ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin’ ny 11 Febroary 1975…