π…πŽπ‘π“-πƒπ€π”ππ‡πˆπ| π…πˆπ…π€πŒπˆππƒπ‘π€πŒ-ππˆπ“π€ππ“π€ππ€ 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀-πŠπŽπŒπˆππˆππ€ π€πŒππŽππˆπ•πŽπ‡πˆπ“π‘π˜ π“πŽπ‹π€π†ππ€π‘πŽ

204 0

Tao anatin’ny firahalahiana sy mangarahara ny fifamindram-pitantanana teo amin’Andriamatoa; RANDRIANIAINA Georges Mamy Ben’ny tanana teo aloha sy Andry ANDRIAMAHASORO Ben’ny tanana voafidy mitantana ny Kominina amin’izao fotoana izao.

Nasaina manokana nanome voninahitra ity lanonana ity ny Governoran’ny Faritra AnΓ΄sy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA izay nisaotra ny Ben’ny tanana teo aloha tamin’ny fiarahamiasa rehetra tamin’ny Faritra AnΓ΄sy, ary nanamafy ny maha zavadehibe ny firaisankina sy ny fifanomezan-tΓ nana ho fampandrosoana ireo Kominina rehetra araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay fomba fiasa efa mipetraka eo amin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ato anatin’ny Faritra AnΓ΄sy.

Nangonin’i ARRONE KENNEDY.

Related Post

π‹π€π’πˆππ€π“π‘π˜ 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 π“πŽπ•πŽπ‹π€π‡π˜ π•π€πŽ πŸπŸ– πŒπŽππ‰π€.

Posted by - janvier 9, 2024 0
π‹π€π’πˆππ€π“π‘π˜ 𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 π“πŽπ•πŽπ‹π€π‡π˜ π•π€πŽ πŸπŸ– πŒπŽππ‰π€. — Distrika Ambohimahasoa, Omaly t@3 ora tolakandro, tao Ambalanonoka, fkt Miadakofeno Kaominina…