DISTRIKAN’NY MIANDRIVAZO LOHALAHARANA AMIN’NY FANDRIAM_PAHALEMANA ATO MENABE

452 0

✅ Isany veliranon’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina ny fametrahana ny fandriam_pahalemana maharitra eto Madagasikara ka ho an’ny distrikan’ny Miandrivazo dia tratra ny tanjona ka efa misitraka izany ny vahoaka tsy vao izao fa efa nanomboka ny taona 2021 izany nohon’ny ezak’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo izay notarihiny ramatoa Richard Ratovonjanahary Tsimahalefy Alexandrine sy ny kaomandin’ny vondrontobim_paritra ny zandarmiaria Miandrivazo ka nisy ny fitetezana ireo kaominina 16 mandrafitra ny distrikan’ny Miandrivazo eny fa na ireo saro_dalana aza izany no natao dia fametrahana ny andromasom_pokonolona isaky ny kaominina sy ny Dina fototra ary ny lamina iraisana amin’ny ara_dia raha sanatria misy halatr’omby izay fototra nazoana izao vokatra tsara izao, eo koa ny fampivondronana ireo mpiray Dina amin’ireo kaominina mifanolo_bodirindrina izay atao isaky ny 5 volana ka notanterahina omaly 16 Martsa ny fampivondronana ho an’ireo kaominina ao anatin’ny tapany Atsimo ny distrikan’ny Miandrivazo izay sady nandraisan’izy ireo voalohany ihany koa ny kaomandin’ny vondrontobim_pileovana zandarimaria MENABE Colonel Faneva ka isany nambarany tamin’izany ny hoe sarotra ny fitazomana fandriam_pahalemana anatin’ ny taona maro ka nidera sy nisaotra ny ramatoa Solombavambahoaka sy ireo mpitandron’ny filaminana izy ary nentaniny ihany koa ny tokony hanan’ny tsirairay kopia sorampian_kohonana sy karam-panondrom_pirenena ho an’izay feno taona.


✅ Nandritr’izany ihany koa dia notolorann’ny ramatoa Solombavambahoaka ankanjo famantarana mampiavaka azy isam-pokotany ireo kaolaony, ohatra velona moa ny fahitan’ny vahoaka an’ny ramatoa Solombavambahoaka mihidina ifotony ka resy lahatra ny rehetra satria mian_dahy miam_bavy ny rehetra tamin’ny fametrahana izao fandriam_pahalemana izao ary samy vonona sy resy lahatra fa mila tazomina izao fandriam_pahalemana izao.
✅ Hitohy amin’ ireo kaominina any amin’ny tapany avaratry Miandrivazo moa izao hetsika fitazomana ny fandriam_pahalemana maharitra ato Miandrivazo izao.

Nangonin’ny Ra Pa Menabe

Related Post

𝐓𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐎 𝐕 – 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐋𝐀𝐇𝐘 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐑𝐎𝐍𝐆𝐎𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐋𝐀𝐍𝐉𝐀 𝟏𝟎 𝐊𝐈𝐋𝐀𝐎 𝐍𝐎𝐒𝐀𝐌𝐁𝐎𝐑𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀

Posted by - décembre 16, 2025 0
𝑴𝒊𝒕𝒐𝒉𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒅𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒑𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒉𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒛𝒂𝒗𝒂-𝒎𝒂𝒉𝒂𝒅𝒐𝒎𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 Ny alin’ny 13 Desambra 2025, nandritra ny fisafoana ara-pilaminana nataon’ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny…