FORT-DAUPHIN | FAHAVITAN’ NY LALANA -FOKONTANY BAZAR BE- KOMININA AMBONIVOHITRY FARADOFAY

107 0
FORT-DAUPHIN. FAHAVITAN’ NY LALANA -FOKONTANY BAZAR BE- KOMININA AMBONIVOHITRY FARADOFAY
Vita tanteraka ary azo ampiasain’ny rehetra ny làlana ao amin’ny Fokontany Bazar be mizotra mankany Libanona izay tapaka nandritra ny 1 taona.
Izao no tanteraka dia nohon’ny fitarainan’ireo mpampiasa làlana tamin’Andriamatoa Honorable Député Chabani NOURDINE amin’ny maha solombavambahoaka azy tamin-dRamatoa Governoran’ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA, izay solotenam-panjakana amin’ny maha rafitra mpanatanteraka aty ifotony.
Araka ny nambaran-dRamatoa Governora ihany koa dia miroso amin’ny dingana fanadihadiana ara-teknika ny ho fanarenana ny làlana eo akaikin’ny BOA fiarahamiombon’antoky ny Faritra Anôsy sy ny orin’asa QMM Rio Tinto.
Mitondra fanentanana momba ny fikojakojana ireo fotodrafitr’asa rehetra eny anivon’ireo kominina sy ny Distrika rehetra ihany koa ireto manampahefana ireto mba ho lovain’ireo taranaka fara aman-dimby.
📝 ARRONE KENNEDY.

Related Post

𝗘𝘁𝗮𝘇𝗼𝗻𝗶𝗮 – 𝗦𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮 𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗔𝗺𝗲𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗗𝗼𝗻𝗮𝗹𝗱 𝗧𝗿𝘂𝗺𝗽!

Posted by - juillet 14, 2024 0
𝗘𝘁𝗮𝘇𝗼𝗻𝗶𝗮 – 𝗦𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮 𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗔𝗺𝗲𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗗𝗼𝗻𝗮𝗹𝗱 𝗧𝗿𝘂𝗺𝗽! (𝖭𝗂𝗌𝗒 𝗇𝗂𝗍𝗂𝖿𝗂𝗍𝗋𝖺 𝗍𝖾𝗈 𝖺𝗆𝗉𝖺𝗇𝖺𝗈𝗏𝖺𝗇𝖺 𝖿𝖺𝗆𝗉𝗂𝖾𝗅𝖾𝗓𝖺𝗇-𝗄𝖾𝗏𝗂𝗍𝗋𝖺) ☆Hatairana no nandrenesan`ny vahoaka…

PORT-BERGE | NANGATAHIN’NY VAHOAKA HIROTSAKA HO DEPIOTE Dr ADOLPHE FIAREMA

Posted by - mars 17, 2024 0
𝐏𝐎𝐑𝐓-𝐁𝐄𝐑𝐆𝐄 | 𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐓𝐀𝐇𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐈𝐑𝐎𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 𝐃𝐫 𝐀𝐃𝐎𝐋𝐏𝐇𝐄 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐄𝐌𝐀 𝐓𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐙𝐘. Manana zo…