JIRO MORA ETO AMIN’NY FKT TSIADANA

317 0

Nanomboka omaly faha 6 Janoary taona 2025 dia efa manomboka manaparitaka ireo Jiro Mora manerana ny Fokontany Tsiadana ireo tompon’andraikitra amin’izany araka nambaran’ny Filohan’ny Fokontany Tsiadana, Tokan-trano miisa 500 eo ho eo no efa nahazo ity Jiro Mora ity, ary tsy hanavahana saranga fa mahazo avokoa ireo nangataka ka nahafeno ny mason-tsivana hahazoana manjifa izany.

Natao indrindra ho fanampiana ny mpiara-belona ity Jiro mora ity, ary tokony samy hanana ny tsirairay arak any fanazavana nentin’ni Ramatoa RAZAFIMBOLA Sahondra Liliane, isan’ireo Tompon’andraikitra misahana ny Jiro Mora eto Tsiadana. Fantatra fa misanda 30 000 Ar ny sarany hahazoana manjifa ity Jiro mora ity, ary maimaim-poana ny hametahana azy any an-tokantrano any.

Sitrany mba hanala ny fahasahirana mianjady amin’ny vahoaka tsy madady harona ny fisian’ity Jiro Mora ity, hoy RAMANANDRAIBE mponin’i Tsiadana, fa dia mankasitra ireo nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka an’ity tetik’asa mipaka amin’ny vahoaka ity.

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

DISITRIKA NY BENENITRA

Posted by - janvier 18, 2025 0
Tontosa androany ny Fambolen-kazo ato Faritra Atsimo Andrefana ka nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany teto amin’ny Disitrika ny Benenitra .…