Ramatoa RASOLOARISOA Marie Marcelline | Fampiofanana manakaiky vahoaka

319 0
π…π€πŒππˆπŽπ…π€ππ€ππ€ πŒπ€ππ€πŠπ€πˆπŠπ˜ π•π€π‡πŽπ€πŠπ€.
« OLO MAHAY RAHA TSY VERY MANDEHA »
Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika « Fijery HafaΒ Β» ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy fampiofanana ara-kasa Ramatoa RASOLOARISOA Marie Marcelline ny Sabotsy 07 Desambra 2024 teo.
Vahoaka aman-drivony maro no tonga tao amin’ny lisea Teknika Ambatondrazaka mba hisoratra anarana maimaipoana amin’ireo karazana fampiofanana maro samy hafa izay atolotry ny Ministera ho an’ny sokajin’olona rehetra.
Saika misy avokoa moa ireo karazam-piofonana rehetra toy ny asa tanana sy tao zavatra, fianarana miteny vahiny, fiofanana manjaitra sy taovolo, fiofanana momban’ny tao-trano sy ny asa vaventy, fiofanana momban’ny fambolena sy fiompiana, , fianarana manangana orinasa mandinika, fiofanana manamboatra arina organika, sns…
Tonga nanontrona sy nanome voninahitra ny hetsika ny Solombavam-bahoaka sady Filohan’ny voameran’ny Fanabeazam-pirenena eo anivon’ny Antenimierampirenena Andriamatoa ANDRIANASOLO Andrianiaina Jean Patrick sy ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany avy ato anivon’ny Faritra Alaotra Mangoro izay no tarihin’ireo sekretera Jeneraly avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Faritra sy ny Prefektiora ary ny Ben’ny tananan’Ambatondrazaka.
Tanjona amin’izao hetsika « Fijery Hafa’ izay karakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana ara-teknika sy fampiofanana ara-kasa izao dia ny hanomezana fiofanana ny vahoaka eny ifotony mba ho entin’izy ireo mihary ary hanampiana ny tanora amin’ny famoranana asa hiatrehany ny ho aviny.
πŸ“ 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ π€πŒππ€ππˆπ•πŽπ‡πˆπ“π‘π€ π€ππŠπ€π™πŽπ€πŒππŽ | Manodidina ny 60 ireo vehivavy nahazo fiofanana

Posted by - mai 28, 2025 0
πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ π€πŒππ€ππˆπ•πŽπ‡πˆπ“π‘π€ π€ππŠπ€π™πŽπ€πŒππŽ π…πˆπ“π€π‹π„π€π•π€πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ€ππ€π‘π€ππ€ π“π„πŠππˆπŠπ€ π’π˜ π…π€πŒππˆπŽπ…π€ππ€ππ€ π€π‘π€πŠ’𝐀𝐒𝐀 π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€ 𝑡𝑰𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑭𝑰𝑢𝑭𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑴𝑨𝑯𝑨𝑲𝑨𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑡𝒀 𝑴𝑢𝑭𝑢𝑴𝑨𝑴𝒀 𝑰𝑹𝑬𝑢 𝑭𝑰𝑲𝑨𝑴𝑩𝑨𝑡𝑨𝑴-𝑩𝑬𝑯𝑰𝑽𝑨𝑽𝒀 α΄€ΚŸα΄€Κ€α΄Κ™Ιͺα΄€…