FORT-DAUPHIN | FAHAVITAN’ NY LALANA -FOKONTANY BAZAR BE- KOMININA AMBONIVOHITRY FARADOFAY

264 0
FORT-DAUPHIN. FAHAVITAN’ NY LALANA -FOKONTANY BAZAR BE- KOMININA AMBONIVOHITRY FARADOFAY
Vita tanteraka ary azo ampiasain’ny rehetra ny làlana ao amin’ny Fokontany Bazar be mizotra mankany Libanona izay tapaka nandritra ny 1 taona.
Izao no tanteraka dia nohon’ny fitarainan’ireo mpampiasa làlana tamin’Andriamatoa Honorable Député Chabani NOURDINE amin’ny maha solombavambahoaka azy tamin-dRamatoa Governoran’ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA, izay solotenam-panjakana amin’ny maha rafitra mpanatanteraka aty ifotony.
Araka ny nambaran-dRamatoa Governora ihany koa dia miroso amin’ny dingana fanadihadiana ara-teknika ny ho fanarenana ny làlana eo akaikin’ny BOA fiarahamiombon’antoky ny Faritra Anôsy sy ny orin’asa QMM Rio Tinto.
Mitondra fanentanana momba ny fikojakojana ireo fotodrafitr’asa rehetra eny anivon’ireo kominina sy ny Distrika rehetra ihany koa ireto manampahefana ireto mba ho lovain’ireo taranaka fara aman-dimby.
📝 ARRONE KENNEDY.

Related Post

𝐅𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐈𝐙𝐀𝐍’𝐍𝐘 « 𝐁𝐀𝐙𝐀𝐑𝐘 𝐊𝐄𝐋𝐘 » 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐕𝐀𝐑𝐘 𝟔𝟓 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐈𝐑𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐁𝐎𝐈𝐍𝐀

Posted by - août 8, 2026 0
𝐅𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐈𝐙𝐀𝐍’𝐍𝐘 « 𝐁𝐀𝐙𝐀𝐑𝐘 𝐊𝐄𝐋𝐘 » 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐕𝐀𝐑𝐘 𝟔𝟓 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐊𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐈𝐑𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐍𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐁𝐎𝐈𝐍𝐀 Taorian’ny hain-trano nitranga tao…