Fitsidihana voalohany nataon’ny Fitalehavam-paritry ny Fizahan-tany sy ny Asa-tanana

191 0

Ranomafana – Nanao fitsidihana ofisialy voalohany tao amin’ny distrikan’i Ranomafana ny Fitalehavam-paritry ny Fizahan-tany sy ny Asa-tanana ao amin’ny Faritra Vatovavy. Fitsidihana izay narahina fivoriana sy fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpiantsehatra fototra amin’ny sehatry ny fizahan-tany eto an-toerana.

Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany ny mpitari-dalana (guides), tompon’andraikitra amin’ny hotely, ny solontenan’ny Centre ValBio, ny Kaominina ary ny PIC. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fametrahana rafitra mahomby hiantohana ny fandrosoan’ny sehatra ny adihevitra.

Office Régional du Tourisme sy paikady vaovao

Lohahevitra lehibe noresahina ny fametrahana ny Office Régional du Tourisme ao Ranomafana, izay heverina ho andry iankinan’ny fandrindrana sy fampiroboroboana ny fizahan-tany ao amin’ny faritra. Tanjona ny hanana rafitra mazava sy manara-penitra, hahafahana mampitombo ny kalitaon’ny tolotra sy misarika mpitsidika bebe kokoa.

Voaresaka ihany koa ny fanomanana ny fandraisan’anjaran’ny faritra amin’ny Foara lehibe hatao any Frantsa ato ho ato. Vinavinaina fa sehatra iray hampahafantarana bebe kokoa ny hakanton’i Ranomafana sy ny vokatra asa-tanana mampiavaka azy izany.

Fanapahan-kevitra ho amin’ny fampandrosoana

Araka ny fanazavana azo, dia napetraka ny paikady sy tondrozotra hanatsarana ny fitantanana ny fizahan-tany, anisan’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanohanana ireo mpanao asa-tanana eo an-toerana.

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina nandritra ny fivoriana, ary antenaina fa hitondra fivoarana maharitra sy hanamafy ny toeran’i Ranomafana ho iray amin’ireo toerana fizahan-tany manan-danja eto Madagasikara izany.

— Nangonin’i Martinot François Difanadi

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…