Fiaraha-monina FARITRA : BOENY DISTRIKA : MAROVOAY Tonga nijery ireo traboina tany amin’ny Kaominina 03 ato anatin’ny faritra “Rive gauche” Posted on février 11, 2026 at février 11, 2026 by feonydemokrasia 240 0 FARITRA : BOENY DISTRIKA : MAROVOAY Tonga nijery ireo traboina tany amin’ny Kaominina 03 ato anatin’ny faritra “Rive gauche” 𝐀𝐧𝐤𝐚𝐛𝐨𝐤𝐚, 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐚𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐢𝐦𝐚𝐬𝐚𝐤𝐚 ny Solombavambahoaka 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐌𝐀𝐑𝐈𝐍𝐃𝐑𝐘 sy Rtoa lehiben’ny distrika sy ireo mpiaramiasa tamin’ny androny Talata faha 10 febroary 2026 lasa teo . Hoan’ny Kaominina ANKABOKA dia teto amin’ny lapan’ny tanàna no nihaonany tamin’ireo traboina ary nanomezany ireo fanampiana ara-tsakafo maro toy ny vary sy vaomaina izay avy amin’ny fitondram-panjakana ary ny ireo fanomezana maro izay avy amin’ny Solombavambahoaka manokana toy ny Macaroni sy menaka sy ronono ary siramamy sy ireo fanomezana maro samy hafa, faly sy nankasitraka moa vahoaka teto ANKABOKA izay nisolon’i Atoa ben’ny tanàna tena satria tsy nahatsiaro irery izy ireo raha azon’ny voina fa manana Ray aman-dreny manampy azy ireo, Raha hoan’ny Kaominina Manaratsandry indray dia teto amin’ny biraon’ny délégué no toerana nihaonan’i Atoa Solombavambahoaka tamin’ireo traboina maro be ka nitafany tamin’ireo traboina sy nihenoana azy ireo izay nilazan’izy ireo ny takaitra azon’izy ireo tamin’ny voina nahazo azy ireo mba hitadiavana vahaolana maika ary ihany nanolarana ireo fanampiana maro izay avy amin’ny fitondrana-panjakana sy avy amin’i Atoa Solombavambahoaka tsy adino koa teto ny nanolotra baolina sy ondry ary lelavola hoan’ireo fikambanam-behivavy izay hoentin’izy ireo manomana ny fifaninanana baolina kitra amin’ny 08 Martsa hoavy izao; Teto Maroala Kaominina ANTANIMASAKA no namaranan’i Atoa Solombavambahoaka ny famangiana ireo traboina, ity Kaominina ity izay anisan’ireo nitondra takaitra mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza FYTIA iny ka izany no nahatonga an’i Atoa Solombavambahoaka nidodo sy nitondra izay voatsirambin’ny tanana hoan’ireo traboina, fotoana koa teto nitafana manokana tamin’ireo sokajin’olona maro eto amin’ity Kaominina ity izay nihenoina ny maharary azy ireo ary namaliana ireo fanontaniana maro nanitikitika azy ireo, Tsy ireo Kaominina ireo ihany anefa no handalovana sy hahazo ireo fanampiana ireo araka nambaran’Atoa Solombavambahoaka fa ireo Kaominina izay hita fa voa mafy sy ireo izay misy traboina rehetra ato anatin’ny Distrikan’ny Marovoay ary nambarany ihany koa fa mbola maro ireo fanampiana hoavy izay avy aminy sy avy amin’ny fitondram-panjakana. FDM : AMBATOBOENY : ZANDRIKELY KONKA : HINDRANA
𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 : 𝐎𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐨𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐦𝐢𝐭𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐭𝐬𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐯𝐨𝐥𝐚𝐡𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐯𝐨𝐚𝐭𝐚𝐳𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐚𝐨𝐦𝐢𝐬𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐩𝐨𝐥𝐢𝐬𝐲 Posted by feonydemokrasia - juillet 16, 2026 0 Nanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisy ao Antsirabe ny olona maromaro avy ao amin’ny fokontany Andafy, atsimon’ny orinasa STAR,…
Nifampizara Fitiavana ny Viavy Mpagnano gazety eto Toamasina Posted by feonydemokrasia - décembre 25, 2024 0 Toy ny fanao isan-taona, dia omaly omaly 24 Desambra 2024 no notanterahina ny fizarana » panier garni » hoan’ireo Viavy Mpagnano…
𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀 | 𝐨𝐫𝐢𝐧’𝐚𝐬𝐚 𝐀𝐆𝐑𝐈𝐌𝐀 | 𝐃𝐢𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 Posted by feonydemokrasia - février 11, 2025 0 Dinika ho fiarahana miasa amin’ny orin’asa AGRIMA eto Bongolava notarihan’ny Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert Ministère de la Pêche et de…
ASSSOCIATION DERA MADAGASCAR (Mananjary): MANAMPY NY FITAIZANA ZAZA KAMBANA TSY EO AMIN’NY RAIAMANDRENINY Posted by feonydemokrasia - mars 24, 2024 0 Misy ireo zaza mila fanampiana ka ilaina ny fitan-tsoroky ny Malagasy tsy an-kanavaka. Anisan’izany ny Association DERA Madagasikara izay…
𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗠𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗧𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢 𝗡𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗢𝗩𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝟭𝟮 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗙𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢 Posted by feonydemokrasia - septembre 12, 2024 0 𝙷𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚊𝚏𝚒𝚜𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚙𝚘𝚕𝚒𝚝𝚒𝚔𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚏𝚊𝚗𝚓𝚊𝚔𝚊𝚗𝚊 𝚏𝚘𝚒𝚋𝚎 𝚜𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚛𝚊𝚢 𝚊𝚖𝚊𝚗-𝚍𝚛𝚎𝚗𝚢 𝚊𝚖𝚒𝚗’𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚏𝚒𝚍𝚒𝚛𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊𝚝𝚛𝚊 𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚊𝚛𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚖𝚙𝚘𝚛𝚒𝚜𝚒𝚑𝚊𝚗𝚊 𝚒𝚛𝚎𝚘…