ONIVERSITEAN’I FIANARANTSOA: NAMOKATRA PROFESORA IRAY INDRAY.

423 0
Mitombo isa hatrany ny profesora eo anivon’ny Oniversitean’i Fianarantsoa. Nahatontosa ny thèse de soutenance HDR (Habilité à Diriger des Recherches), tao amin’ny efitranon’ny Amphithéâtre EMIT Andrainjato, tamin’ity Talata 9 Jolay 2024, ny Talean’ny EMIT( Ecole de Management et d’Innovation Technologie) , docteur RAKOTONIRAINY Hasina Lalaina. »
Modélisation et simulation des socio- eco-système: approche et outils » no lohahevitry ny fikarohana nataony, izay nazahoany ny marimpahaizana ambony amin’ny haitao ara-kajy mirindra (diplôme HDR en informatique) . Notolorana ny épitoge barety efatra moa ny tenany.
Navoitrany fa azo itondrana fampandrosoana ny firenena tsara ny teknolojia. Tanjona ny hamokarana fitaovana isan-karazany hahafahana manao ny modélisation ( na fanaovana anaty solosaina ny zavatra misy rehetra,amin’ny andavanandron’ny olombelona anaty fiaraha-monina, ka ny logiciels na agents no manatanteraka ny asa amin’ny alalan’ny intelligence artificielle ( fiarovana ny ala, fahasalamana,fiovaovan’ny toetr’andro,sns… .
Tsy teto Madagasikara irery ihany, fa hatrany ampitan-dranomasina no nanaovana ny fikarohana. Ary misy tamin’ireo mpitsara (membres de jury) no avy any ivelany.

Related Post

𝗦𝗢𝗟𝗢𝗠𝗕𝗔𝗩𝗔𝗠𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗩𝗢𝗔𝗙𝗜𝗗𝗬 𝗧𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢 𝗡𝗜𝗭𝗔𝗥𝗔 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗢𝗩𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗡𝗜𝗡𝗔 𝟭𝟮 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗙𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗞𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢

Posted by - septembre 12, 2024 0
𝙷𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚊𝚏𝚒𝚜𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚙𝚘𝚕𝚒𝚝𝚒𝚔𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚏𝚊𝚗𝚓𝚊𝚔𝚊𝚗𝚊 𝚏𝚘𝚒𝚋𝚎 𝚜𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚗𝚊𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚛𝚊𝚢 𝚊𝚖𝚊𝚗-𝚍𝚛𝚎𝚗𝚢 𝚊𝚖𝚒𝚗’𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚏𝚒𝚍𝚒𝚛𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚖𝚙𝚒𝚊𝚗𝚊𝚝𝚛𝚊 𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚊𝚛𝚢 𝚑𝚘 𝚏𝚊𝚖𝚙𝚘𝚛𝚒𝚜𝚒𝚑𝚊𝚗𝚊 𝚒𝚛𝚎𝚘…