FIFAMOIVOIZANA ETO ANDRENIVOHITRA : Ao anatin’ny fanantanterahina ny opération DONA ny polisim-pirenena avieo anivon’ny CUI

385 0
🎀 FIFAMOIVOIZANA ETO ANDRENIVOHITRA : Ao anatin’ny fanantanterahina ny opération DONA ny polisim-pirenena avieo anivon’ny CUI.🎀
🛑 Maro be ireo olona tsy manara-dalana eo @ sehatry ny fifamoivoizana fa indrindra @ izao hakatoky ny fety izao
,Ary ny maro an’isa @izany ny mpampiasa moto izay ahitana lozam-pifamoivoizana matetika.
⛔ Natao ity opération ity ho fanamafisana sy fampianarana ireo olona mampiasa moto ny tokony fantatr’izy ireo.
Saika ny ankamaroan’ny mpampiasa moto tokoa manko no tsy manao « Aro loha » na casque moto ; fa ao ihany koa ireo manao taingimbe eny ambony moto eny raha toa ka maro @izy ireo ihany koa no tsy mahay « code de la route akory »
❌ Raha ny teto analakely manokana,maro be ireo fandikan-dalana tratran’ireo polisy ( compagnie urbaine d’intervention) misahana ity opération ity androany 15 jona 2024,izay niarahana tamin’ny motards sy ny CUA Ary handraisana fepetra mifandraika @ ny lalàna avokoa izy ireo miaraka amin’ny sazy tandrify azy avy.
‼️Tsy mijanona hatreto ny hetsika fanamafisana ataon’izy ireo fa hitohy hihamafy hatrany ho fiharovana ny ain’ny daholo be fa indrindra manakaiky ny vahoaka hatrany.‼️
Nangonin’i Malala Tsaroana
Sary:Noums

Related Post

Voapetraka ny taratasin’ny Fandrava

Posted by - avril 7, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 |𝐓𝐚𝐟𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐚𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧-𝐤𝐨𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧’𝐢 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐕𝐀 — Anio Alahady 7 Avril 2024 (11h50) Tafapetraka ny atoandro teo ny taratasy filatsahan-kofidiana…

B I A N C O TOLIARA

Posted by - décembre 10, 2023 0
B I A N C O TOLIARA 20 Taona androany no nanaovana ny fifanarahana Iraisam-pirenena entina hiadiana amin’ny kolikoly.  …