Hain-trano nandravarava ny biraon’ny Kaominina: fitaovana sy antontan-taratasy saika levona tanteraka

145 0

ARIVONIMAMO FAHAROA – FARITRA ITASY
Hain-trano nandravarava ny biraon’ny Kaominina: fitaovana sy antontan-taratasy saika levona tanteraka

Nisedra loza lehibe ny Kaominina Arivonimamo Faharoa, eto Antaboaka, Faritra Itasy, taorian’ny hain-trano namely ny biraon’ny Kaominina. Vokatr’ity voina ity dia tombanana ho 95 isan-jato amin’ireo fitaovana sy antontan-taratasy nampiasaina sy notehirizina tao no kila sy may, ary nivadika lavenona.

Araka ny fanazavan’ny Ben’ny Tanàna, Andriamatoa RAMANAMBE Didy, dia “court-circuit” avy amin’ny tariby mitondra herinaratra an’ny JIRAMA no nahatonga ny loza. Nomarihiny fa telo andro talohan’ny nitrangan’ny hain-trano dia nisy fanamboarana natao tamin’ilay andrin-jiro mitondra herinaratra eo amin’ny manodidina. Efa nisy ihany koa, hoy izy, ny firehetana matetika tamin’io andrin-jiro io taloha, ary saika isan-telovolana no niseho izany.

Vao niseho ny loza dia tonga avy hatrany ny Sefo Distrika, niaraka tamin’ireo Ben’ny Tanàna namana, nanampy sy nankahery ny Kaominina voa. Fihetsika naneho firaisankina sy fihavanana, araka ny fomban-drazana eto an-toerana.

Raha tsiahivina ny tantara, dia efa niorina talohan’ny Repoblika Voalohany ny Kaominina Arivonimamo Faharoa. Taloha dia niray birao tamin’ny Kaominina Arivonimamo Voalohany izy, ary 25 taona lasa izay no nananganana ity birao ankehitriny ity. Efa saika hiomana hankalaza izany tsingerintaona izany amin’ny taona ho avy ny Kaominina, saingy indrisy fa tratran’ity fahamaizana tsy nampoizina ity.

Nambaran’ny Ben’ny Tanàna ihany koa fa izy no Ben’ny Tanàna fahaefatra nitondra ny Kaominina, taorian’ireo telo nifandimby teo alohany. Notsindriany fa maro ny zava-bita sy fotodrafitr’asa efa tanteraka tao anatin’ny herintaona mahery nitondrany, ho fampandrosoana ny Kaominina sy ho tombontsoan’ny mponina.

Manoloana ity voina mavesatra ity, dia miantso ny Zanaka Ampielezan’ny Kaominina, ireo malalan-tanana, ary indrindra ny fitondram-panjakana ny tompon’andraikitra, mba hifanome tanana amin’ny fanarenana sy fananganana indray ny biraon’ny Kaominina Arivonimamo Faharoa, izay fototra iankinan’ny raharaham-pitantanana sy ny fanompoam-bahoaka.

“Ny loza tsy fidiny, fa ny firaisankina no vahaolana,” hoy ny teny nifampizaran’ny mponina sy ny tompon’andraikitra, eo am-piezahana mamerina indray izay rava, amim-paharetana sy fanantenana.

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (𝑵𝒂𝒏𝒐𝒎𝒆 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒕𝒐𝒃𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒓𝒊𝒑𝒂𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…