Farm Madagasikara | Nankalaza ny andron’ny Tantsaha androany

244 0
Farm Madagasikara | Nankalaza ny andron’ny Tantsaha androany
—-
Na dia ny faha 17 Volana Aprily aza no fankalazana ny andron’ny Tantsaha maneran-tany, dia anio kosa no nankalaza izany ny Fikambanana FARM na ny Femmes en Action Rurale de Madagascar, izay notanterahina tany amin’ny Kaominina Fiaferana, ao amin’ny Distrika Antananarivo, Avaradrano.
 
Hetsika marolafy no nentin’izy ireonaamarihana ity andro ity, ary tsy latsa-danja tamin’izany ny fampiratiana ny vokatra vokarin’ireto vehivavy tantsaha ireo, narahina filaharam-be namakivaky ny tanana, ary nofaranana tamin’ny fiofanana izay niarahana tamin’ny Tranoben’ny Tantsaha.
 
Ny hetsika rehetra dia natao teo ambanin’ny fiahin’i Ramatoa Lilia RAVONIARISOA, izay Filoha Nasionaly no angady nanana sy vy nahitana ity fikambanana efa saika manenika ny faritra 23 eto Madagasikara ity.
Tanjona hatrany hoy izy raha nandray fitenenana dia ny hampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy tantsaha ka ho mba hahatonga ho fitaratra amin’ny famokarana.
 
Ankoatry ny fampiofanana ny Vehivavy tantsaha, dia andalam-pikarohana lalam-barotra ny vokatra vokarin’ny Mpikambana ato amin’ny FARM ihany koa ny Fikambanana ankehitriny
 
Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

𝐇𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐞𝐧𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐢𝐡𝐨𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐞𝐟𝐲, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐑𝐚𝐤𝐨𝐭𝐨𝐦𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚

Posted by - octobre 11, 2025 0
Antananarivo — Nanao fanambarana manokana ireo manamboninahitra ambony mitana ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, tarihin’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Jean Herbert Rakotomalala,…