Mayotte: Tovovavy Malagasy Maty novonoina – Voasambotra Ny Ahiahiana

335 0

Mayotte, 9 Aogositra 2025 — Tsy nisy tsy nihorohoro ireo Malagasy mila ravin’ahitra sy monina aty ami’ny Nosy  Mayotte ny nahitana ny razan’i Armella, tovovavy malagasy 19 taona, teo amin’ny tora-pasika Mliha Chanfi ny 2 Aogositra lasa teo.

Nandritra ny herinandro taorian’izay dia nihetsika tamim-pahavitrihana ny teratany malagasy any an-toerana, nanao antso avo tamin’ny manampahefana mba hanao izay hahitana sy hisamborana haingana ny mpanao ratsy.

Ny 9 Aogositra, polisy Mahorais no nanamafy fa voasambotra ny lehilahy iray manodidina ny 30 taona, ahiahiana ho tompon’antoka tamin’ity heloka bevava nahatsiravina ity. Mitohy ny famotorana mba hanazavana ny antony sy ny fandehan’ny tranga.

Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝐓𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐎 𝐕 – 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐋𝐀𝐇𝐘 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐑𝐎𝐍𝐆𝐎𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐋𝐀𝐍𝐉𝐀 𝟏𝟎 𝐊𝐈𝐋𝐀𝐎 𝐍𝐎𝐒𝐀𝐌𝐁𝐎𝐑𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀

Posted by - décembre 16, 2025 0
𝑴𝒊𝒕𝒐𝒉𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒅𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒑𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒉𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒛𝒂𝒗𝒂-𝒎𝒂𝒉𝒂𝒅𝒐𝒎𝒆𝒍𝒊𝒏𝒂 Ny alin’ny 13 Desambra 2025, nandritra ny fisafoana ara-pilaminana nataon’ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny…