Farm Madagasikara | Nankalaza ny andron’ny Tantsaha androany

476 0
Farm Madagasikara | Nankalaza ny andron’ny Tantsaha androany
—-
Na dia ny faha 17 Volana Aprily aza no fankalazana ny andron’ny Tantsaha maneran-tany, dia anio kosa no nankalaza izany ny Fikambanana FARM na ny Femmes en Action Rurale de Madagascar, izay notanterahina tany amin’ny Kaominina Fiaferana, ao amin’ny Distrika Antananarivo, Avaradrano.
 
Hetsika marolafy no nentin’izy ireonaamarihana ity andro ity, ary tsy latsa-danja tamin’izany ny fampiratiana ny vokatra vokarin’ireto vehivavy tantsaha ireo, narahina filaharam-be namakivaky ny tanana, ary nofaranana tamin’ny fiofanana izay niarahana tamin’ny Tranoben’ny Tantsaha.
 
Ny hetsika rehetra dia natao teo ambanin’ny fiahin’i Ramatoa Lilia RAVONIARISOA, izay Filoha Nasionaly no angady nanana sy vy nahitana ity fikambanana efa saika manenika ny faritra 23 eto Madagasikara ity.
Tanjona hatrany hoy izy raha nandray fitenenana dia ny hampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy tantsaha ka ho mba hahatonga ho fitaratra amin’ny famokarana.
 
Ankoatry ny fampiofanana ny Vehivavy tantsaha, dia andalam-pikarohana lalam-barotra ny vokatra vokarin’ny Mpikambana ato amin’ny FARM ihany koa ny Fikambanana ankehitriny
 
Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

𝐀𝐕𝐎𝐓𝐑𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐎𝐒𝐀 𝐍𝐀𝐇AZO “𝐄́𝐂𝐇𝐄𝐋𝐎𝐍 𝐃’𝐎𝐑

Posted by - septembre 9, 2026 0
𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐑𝐈𝐀 – 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 : 𝐀𝐕𝐎𝐓𝐑𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐎𝐒𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐚𝐳𝐨 “𝐄́𝐂𝐇𝐄𝐋𝐎𝐍 𝐃’𝐎𝐑”, 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟏𝟔 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐀𝐁𝐎𝐓𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 Nisongadina tamin’ny lanonana…