Commune Sabotsy Namehana| Voatolotra ny Lakilen’ny FKT Tsarafara

360 0
ππ€π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ π€πβ€™πˆ π‘π€πŒπ€π“πŽπ€ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π…πŽπŠπŽππ“π€ππ˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π‹π€π‡πˆπƒπˆπβ€™ππ˜ ππˆπ‘π€πŽπŒ-ππŽπŠπŽππ“π€ππ˜ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πŠπ“ 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀
πŸ”· Maso niara-nijery satria nibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanana ny fahasimbana nisy tamin’ny Biraom-pokontany teto Tsarafara, nohon’ny fahaterany izay efa ela dia ela tokoa no nampiasaina azy ity, ary Filoham-pokontany maro no efa nifandimby nitantanana izany Biraom-pokontany izany.
πŸ”· Fantatra ihany koa fa anisan’ny Fokontany be Mponina indrindra ato amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana izany Fokontany Tsarafara izany
πŸ”· Noho izany indrindra, dia nanao ezaka fitia tsy mba hetra ny mponina, ary nangonina izany, dia nomena ny Kaominina Sabotsy Namehana, izay nameno ny banga rehetra, ka nahavitana nanova y endriky ny Biraom-pokontany amin’izao endriny vaovao izao.
πŸ”· Tonga nitarika ity lanonam-panokafana ity ny Ben’ny Tanana (teo aloha) izay efa voafidy ho solombavambahoakan’i Madagasikara ANDRIAMOSA Avotraina, notronin’ireo Mpiara-miasa akaiky aminy. Tonga nanome Voninahitra izany koa ny lehiben’ny Boriboritany eto amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana. Ary tsy diso anjara ihany koa ny Ramatoa Filohan’ny Fokontany sy ny Mponin’ny FKT Tsarafara rehetra.
πŸ”· Nandritra ny lahateny nifandibiasana no nilazan’Andriamatoa Solombavambahoaka, fa rehefa samy manao ny ezaka vitany ny tsirairay, dia mivaingana ny asa, ary hapetraka ho lovain-jafy.
πŸ”· Nankasitraka izao fanomezana foto-drafitr’asa hoan’ny daholobe izao ny Filohan’ny Fokontany, izay nisolontena ny vahoaka manontolo, ary nilaza mazava fa hitandro toy ny anankadriamaso ity Birao vao avy nohavaozina ity, indrindra fa ny lalan-tsaina entina-miasa ao anatiny.
Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

π€ππƒπ‘πˆπ€ππ€π•πŽπ€π•πŽ | π“π€ππ˜ π€πŒπ€π-π‰π€π“πŽππ˜ π‡π„πŠπ“π€π‘π€ π‹π€π’π€πβ€™ππ˜ πŽπ‹πŽππ€ π“πŽπŠπ€ππ€ β€œπ“π’π˜ πŒππ€ππƒπŽπ•π€β€

Posted by - novembre 4, 2025 0
Β« 𝑨𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 π’‚π’Žπ’Šπ’π’‚π’š π’π’š π’•π’‚π’π’Šπ’π’‚π’š, π’”π’π’π’π’š π’π’š π’•π’“π’‚π’π’π’π’‚π’š 𝒏𝒐𝒅𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂𝒐, 𝒂𝒗𝒆𝒓𝒆𝒏𝒐 π’π’š π’—π’π’Œπ’‚π’•π’“π’‚π’š π’π’‚π’π’ˆπ’‚π’π’‚π’“π’Šπ’π’‚π’“π’†π’… π‘­π’‚π’π’‹π’‚π’Œπ’‚π’π’‚ π’Žπ’Šπ’‹π’π’“π’ 𝒐̂! 𝑽𝒐𝒏𝒋𝒆𝒐 𝒓𝒆 π’Šπ’›π’‚π’‰π’‚π’š !…

Fahavitantena ara-tsakafo

Posted by - septembre 11, 2024 0
Ny fahavitantena ara-tsakafo dia fototra iray hiankinan’ny fampandrosoana ny firenena. Teto Changsha no nitsidihanay mivady ny parc de Riziculture Longping.…