Firaisankina Avaradrano | nanao fihaonanm-be

540 0
Nihaona tamin’ireo mpitarika Tiako i Madagasikara sy ny fikambanana AVA avy amin’ireo kaominina 16 mandrafitra ny Distrikan’Avaradrano ny Kandida FIRAISANKINA AVARADRANO androany.
Fotoana nahafahana nanomezana toromarika sy lamina mahakasika ny fifidianana Solombavambahoaka ary nihainoana ny hetaheta sy ny fanehoan-kevitr’ireo mpikatroka.
 
Nisy ny hafatra avy amin’ny Filoha Marc RAVALOMANANA ,nampitondrainy ny « STAFF technique-ny » manambara ny faharavan’ny DISTIM teo aloha sy ny fitsanganan’ny « Cellule électorale » izay Andriamatoa Avotraina ANDRIAMOSA no mitarika azy.
 
Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby ihany koa ny Filoha Marc Ravalomanana ary nolazainy fa « TSY TOMBOTSOAN’OLON-TOKANA NO JERENA FA TOMBOTSOAN’NY DAHOLOBE !
 
FANAMBARANA VEHIVAVY TIAKO I MADAGASIKARA AVARADRANO
 
Nanao fanambarana iraisaina ireo Vehivavy Tiako i Madagasikara, manerana ny Kaominina 16 eto anivon’ny Distrika Antananarivo Avaradrano androany, fa manohana tsy misy fepetra ny Kandidan’ny Firaisankina Avaradrano Ofisialy, izay tarihin’Andriamatoa Avotraina Andriamosa sy Jimmy Randriantsoa.
Sanatria amin’izy ireo hoy hatrany ny Mpitarika raha handa ny fandaminana izay nataon’ny Mpitarika ity Antoko Politika manana ny lanjany eto Madagasikara, dia Andriamatoa Ravalomana Filoha Nasionaly ny Antoko Tiako i Madagasikara.
 
Nankahery ireo vehivavy TIM rehetra manerana an’i Madagasikara izy ireo, indrindra hankatok’izao fifidianana izay ho solombavambahoaka izao.
 
 
📷 : Community Manager Firaisankina Avaradrano

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…