Faritra Vakinankaratra | Fambolenkazo tao Antsampandrano Ambohibary

628 0

Ny faha 22 Desambra 2023 lasa teo, no notanterahina tany  Antsampandrano – Ambohibary ny Fambolenkazo izay niarahana tamin’ny DREDD Vakinankaratra niaraka tamin’ireo Vondron’Olona Ifotony ( VOI).

Fantatra fa  Zanakazo miisa 5 000 (Dily arivo)  fototra no voavoly tamin’izany,  nahitana karazany 04,  toy ny Pinus, dodonea, melia azedarac, acacia izay marihina fa zanakazo novokarin’ny DREDD Vakinankaratra

Tiana ny mampahafantatra fa ity ity fambolen-kazo ity dia tan-tsoroka avy amin’ny fikambanan’ny opérateur forestier.

Tanjona moa, dia hamerenana maintso indray ny tontolo iainana eto Vakinankaratra izay efa mihasimba tanteraka ankehitriny.

Tanora mamboly hazo, manan-kialofana rehefa lehibe

Nangonin’Ilay Mahintsy

 

Related Post

𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚. 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 𝐈. 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧- 𝐤𝐚𝐳𝐨.  » 𝐓𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐥𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 ».

Posted by - mars 1, 2025 0
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚. 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 𝐈. 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧- 𝐤𝐚𝐳𝐨.  » 𝐓𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐥𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 ». Ambohipihaonan’ny mpikambana ao amin’ny antoko politika…