Fari-piadidiam-pampianarana Ambatondrazaka | Nanatanteraka fambolen-kazo

968 0

Nanatanteraka fambolen-kazo ny Fari-piadidiam-pampianarana Ambatondrazaka androany Alarobia 28 febroary 2024, tao Ambodiakondro amin’ny faritra izay misy ny ivon-toerana izay tantanin’ny orinasa JIRAMA eo amin’ny sehatra famokarana sy fanadiovana ary fikirakirana ny rano fisotro madio izay mamatsy ny mponina ao amin’ny Kaominina Renivohitra Ambatondrazaka tampon-tanànao.

 Hetsika indrindra izay tafiditra amin’ny fanatanterahana ilay teny filamatra hoe : « Sekoly ivon’ny Fiaraha-monina, Mpianatra vonona sy vanona ho amin’ny Fampandrosoana lovain-jafy » amin’izao fankalazana ny andron’ny Sekoly izao.

 Nanontrona sy nandray anjara tamin’izao hetsika fandrakofana ala an’i Madagasikara izao ihany koa moa ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro sy ny ekipany ary ireo avy amin’ny sekoly tsy miankina.

Nangonin’i Lova – Ambato

 

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 – 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆

Posted by - avril 20, 2024 0
FORT-DAUPHIN. 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗥𝗘𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔- 𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗕𝗜𝗡𝗔𝗡𝗜𝗕𝗘 – 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗧𝗼𝗹𝗮𝗴𝗻𝗮𝗿𝗼- 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗼̂𝘀𝘆   Araka ny programan’asa ny fitondram-panjakana…