RN2 : Fanamiana Zandary sy Police maromaro no hita tao Savalaina

459 0
RN2 : Fanamiana Zandary sy Police maromaro no hita tao Savalaina
.
 » Akanjo novokarin’ny orin’asa iray avy ao Antananarivo izy ireo,ka halefa aondrana any ivelany amin’ny alalan’ny Sambo no nisy nangalatra tamin’iny RN2 iny efa ho iray taona izay. Nisy namaky teny andalana ny container nisy an’ireo fanamiana ireo.
Fanamiana mpitandro ny filaminana maro no very tamin’izany.
 
Omaly no nahazo loharanom-baovao ny Zandary,fa nisy nanary t@ RN2 iny ireo fanamiana ireo ,ka fanamiana Police ( Polo miisa 40) sy fanamiana Zandary (Polo miisa 2) no hita » araka ny fanazavan’ny Colonel Ranaivoarison Theodule Kaomandin’ny Vondrotobim-pileovan’ny Zandariamariam-pirenena Atsinanana.
Hamafisiny ny antso atao amin’ny olona tsara sitrapo ,mba hanome loharanom-baovao ka hampilaza ny mpitandro ny Filaminana raha mahita olona sivily mivarotra na manao an’ireo fanamiana mpitandro ny filaminana ireo satria mbola eo andalam-pikarohana ny olona tompon’antoka amin’izany izy ireo hatramin’izao.
Nangonin’i Be Tsimisaraka

Related Post

« 𝐃𝐑𝐎𝐈𝐓 𝐃𝐄 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐍𝐒𝐄  » 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐍𝐀𝐓𝐎𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Posted by - février 28, 2025 0
Manoloana ny famoaham-baovao, nataon’ny Gazety an’habaka Feon’ny Demokrasia omaly,Alakamisy 27 Febroary 2025, (https://feonydemokrasia.mg/alerte-ambatomanjaka/) dia mitondra ity 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐭𝐬𝐢𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 ity ny 𝗦𝗲́𝗻𝗮𝘁…