Fari-piadidiam-pampianarana Ambatondrazaka | Nanatanteraka fambolen-kazo

1056 0

Nanatanteraka fambolen-kazo ny Fari-piadidiam-pampianarana Ambatondrazaka androany Alarobia 28 febroary 2024, tao Ambodiakondro amin’ny faritra izay misy ny ivon-toerana izay tantanin’ny orinasa JIRAMA eo amin’ny sehatra famokarana sy fanadiovana ary fikirakirana ny rano fisotro madio izay mamatsy ny mponina ao amin’ny Kaominina Renivohitra Ambatondrazaka tampon-tanànao.

 Hetsika indrindra izay tafiditra amin’ny fanatanterahana ilay teny filamatra hoe : « Sekoly ivon’ny Fiaraha-monina, Mpianatra vonona sy vanona ho amin’ny Fampandrosoana lovain-jafy » amin’izao fankalazana ny andron’ny Sekoly izao.

 Nanontrona sy nandray anjara tamin’izao hetsika fandrakofana ala an’i Madagasikara izao ihany koa moa ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro sy ny ekipany ary ireo avy amin’ny sekoly tsy miankina.

Nangonin’i Lova – Ambato

 

Related Post

Amparafaravola, nitrangana Kidnaping

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐋𝐀𝐇𝐈𝐋𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐊𝐈𝐃𝐍𝐀𝐏𝐏𝐈𝐍𝐆 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎/𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐏𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀𝐕𝐎𝐋𝐀 Ny alin’ny Talata 04 Jona 2024 tokony ho tamin’ny sivy ora…