TOAMASINA : Lehilahy Mpisoloky iray no voasambotry ny Polisy vavy

325 0
TOAMASINA : Lehilahy Mpisoloky iray no voasambotry ny Polisy vavy iray rehefa nifanenjehana tao Bazary kely.
Tsy mionona amin’ny fanentana amin’ny ady amin’ny herisetra miompana amin’ny maha lahy na maha vavy ihany ny « Brigade Féminine de Proximité » na BFP avy ao amin’ny Commissariat Central, fa misehatra tanteraka amin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny ankapobeny ihany koa.
 
🔼Araka izany, lehilahy iray no voasambotry ny Polisy vavy ny alatsinainy 26 febroary 2024, tokony ho tamin’ny 04 ora tolakandro teo bazary kely.
 
Nametraka fitoriana fa voasolokin’ity lehilahy voasambotra ity vola mitetina 242.000 ariary ny tompon’andraikitry ny « cash point » anakiray teny Andranomadio. Ny fomba fiadiny dia mandefa vola izy ary ataony tsy ampy ka mamerina ny vola ilay eo amin’ny cash point sady milaza fa tsy ampy. Avy eo raisiny ilay vola ka averiny indray mandeha sady akorotany no milaza izy fa ireo ilay vola ary lasa izy mandeha.
 
👉Tsikaritr’ilay madama voasoloky tampoka anefa ity farany ka niantso vonjeo izy. Nitsoka avy hatrany anefa ramana ka nohejehin’ireto Polisy vavy ary tratra,ka noentina ao amin’ny Commissariat Central Toamasina 
 
Nangonin’i Caludia Tsitolomy
 
 

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (𝑵𝒂𝒏𝒐𝒎𝒆 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒁𝒂𝒏𝒅𝒂𝒓𝒚 𝒕𝒐𝒃𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐𝒏𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒐 𝑨𝒎𝒃𝒂𝒓𝒊𝒑𝒂𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…