BORIZINY : TAFAKATRA 1000 AR NY RANO IRAY LITATRA. MISOTRO SY MAMPIASA RANO TSY AZO ANTOKA NY VAHOAKA

439 0

Efa ho roa volana latsaka no niaina tao anaty tsy fahampian-drano ny mponin’i Port-Bergé. Ritra ny vovon-drano, simba ny milin’ny jirama. Misy ny rano fa tsy azo antoka ny fahadiovany.

Voatery maka rano any amin’ny 5 na 7km miala tanàna ireo izay manana fahafahana hanaovana izany. Mividy amin’ny 500 Ar ka hatramin’ny 1.000 Ariary iray bidao 20 litatra litatra kosa ho an’izay tsy manana fitaovana hitaomana rano sy tsy misy fotoana hakana azy.

Tapatapaka matetika koa ny jiro avy amin’ny orinasa Jirama. Tamin’ity herinandro ity dia nitsahatra tanteraka rahateo ny famatsiana ny herinaratra. Mbola tamin’ny alahady no nisitraka hazavana farany ny mponina. Etsy ankilany tsy mitsaha-miakatra ny hafanana ka tsy maintsy hisy hisotro rano avy nampangatsihiana (eau glacée).

1000 Ariary no vidin’izany raha iray litatra ary 2000 Ariary kosa raha iray litatra sy sasany. Ireo izay mampiasa angovo avy amin’ny herin’ny masoandro no mbola manana rano mangatsiaka amidy io.

Hita fa tsy zakan’ny vahoaka izao fahasahiranan mihoapampana izao fa tahaka ny mitomany any efitra izy ireo mitaraina. Ny rano koa tsy maintsy ilaina sotroina, anadiovana, idiovana ka alavirina ny saina aloha ny fieritreretana ny fahadioavana.

Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post

Depioté Haja Dinah | nanampy ny voafonja ao Toamasina

Posted by - février 22, 2026 0
𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄́ 𝐇𝐀𝐉𝐀 𝐃𝐈𝐍𝐀𝐇 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐌𝐀𝐗 : 𝐍𝐈𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐅𝐎𝐍𝐉𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐋𝐀𝐓𝐀𝐕𝐎𝐀𝐇𝐀𝐍𝐆𝐘 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 Nitohy…