Tapan’ny atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna: Mitohy hatrany ny fitadiavam-bahaolana makasika ny firongatry ny trangana kidnapping tao ho ao izay.

342 0
Tapan’ny atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna: Mitohy hatrany ny fitadiavam-bahaolana makasika ny firongatry ny trangana kidnapping tao ho ao izay.
👉 Anisan’ny vato misakana hafahana miroso amin’ny lafin’ny fampandrosoana tokoa ny trangana tsy fandriam-pahalemana miseho, any amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna iny an-kehitriny.
👉 Nohon’izany dia mitohy tsy misy hatak’andro hatrany ny fitadiavam-bahaolana makasika ny firongatry ny trangana « kidnapping, » izay nanao sesilany tao ho ao, raha any amin’iny faritra voalaza etsy aloha iny no resahina.
👉 Nisy hatrany ny fidinana ifotony tamin’ireo tanàna mafana amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana miseho, toy ny any amin’ny kaominina ambanivohitra: Brieville, Ambakireny, Manakana, Ampandrana, izay hadinihana ny ady amin’ny kidnapping sy halatr’omby, fanafihana mitam-piadiana.
👉 Izany moa dia notarihin’ny préfet faritra Betsiboka, Solombavam-bahoaka any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, lehiben’ny ZDS Ankarafantsika, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka, DMR Betsiboka, manamboninahitra avy amin’ny tafika sy Zandary, ary ireo ben’ny tanàna sy ny filoham-pokontany any an-toerana rehetra.
👉 Nafana ny adi-hevitra nandritra izany teto, satria samy tehametraka ny fandriam-pahalemana maharitra ny tsirairay mba afahan’ireo vahaoka miverina am-pilaminana ny fiainany teo aloha.
Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

𝐇𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐞𝐧𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐢𝐡𝐨𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐞𝐟𝐲, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐑𝐚𝐤𝐨𝐭𝐨𝐦𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚

Posted by - octobre 11, 2025 0
Antananarivo — Nanao fanambarana manokana ireo manamboninahitra ambony mitana ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, tarihin’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Jean Herbert Rakotomalala,…