DISITRIKAN’I PORT-BERGE | NIRAVONA NY DISADISA TEO AMIN’NY FOKO ROA NIFANOLANA, NANAIKY FANDAMINANA NY ANDANINY SY NY ANKILANY.

332 0
DISITRIKAN’I PORT-BERGE | NIRAVONA NY DISADISA TEO AMIN’NY FOKO ROA NIFANOLANA, NANAIKY FANDAMINANA NY ANDANINY SY NY ANKILANY.
Araka ny vaovao efa nalefa teto dia nisy ny disadisam-piarahamonina tao amin’ny kaominina Tsiningia, Disitrikan’i Port-Bergé faritra Sofia. Nisy ny fifandonana teo amin’ny mpiavy tatsimo sy ireo fokonolona ao amin’ny fokontany Ambarimanjevo omaly sabotsy 06 jolay 2024 maraina.
Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nidina tany an-toerana ny OMC notarihan’ny Lehiben’ny Disitrikan’i Port-Bergé, Todivelo Cyrille. Tany an-toerana koa ny Filohan’ny Dina ato amin’ny Disitrikan’i Port-Bergé.
Ankoatra ireo dia niara-namaha izao olana izao tany Tsiningia ireo iraka manokana nalefan’ny Solombavambahoaka voafidy tato amin’ny Disitrikan’i Port-Bergé sy ny Ben’ny tanàna Tsiningia. Nanome toky ireo andaniny sy ny ankilany tamin’ny alalan’ireo solontena sy ny mpitarika azy ireto fa hitandro ny fihavanana izy ireo. Niara-nanaiky ny roa tonta fa hatsahatra eo ny disadisa.
Nangonin’i Gabin Eloi.

Related Post

𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐎𝐙𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐅𝐀𝐌𝐎𝐈𝐕𝐎𝐈𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀 𝟕 – 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘 — Taxi brousse mpitatitra olona avy any Ambositra hankany Fianarantsoa io atoandro…