TOAMASINA: Mpangalatra efa-dahy tratran’ny zandary sy ny fokon’olona tao Tanambao verrerie.

361 0
Ny 06 jolay 2024 tokony ho tamin’ny 07 ora maraina ,dia nahazo antso tamin’ny olona tsara sitram-po ny Kaomandin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria,ny GPHC Rivo Randriamilamina,fa tratehaky fokonolona izy telo lahy ireo. Efa naratra bé tratran’ny fitsaram-bahoaka,ary tonga ny Zandary naka azy ireo.
👉Noentina notsaboina tamin’ny Hopitaly ary natao andrimaso ato amin’ny Tobi-paritry ny zandary eto toamasina. Nandrava sy nangalatra tao amin’ny tokantrano maromaro izy ireo, dia tao Mangarano ,Mangarivotra ary Tanambao Verrerie araka ny fanadihadiana nataon’ny Zandary.
👉Nandritra ny fisavana ny tranon’iray tamin’ireo mpangalatra ireo dia entana maromaro no hita tao.
👉Marihana moa fa nanampy ny Zandary tamin’ny fitondrana ireo olon-dratsy ireo , ny Polisy ao amin’ny Commissariat Mangarano.
👉Mbola misy entana hafa tsy hita ho karohina fa mbola nandositra ary karohina ny naman’ireo olondratsy mitazona azy.

Related Post

𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎

Posted by - janvier 21, 2025 0
𝐎𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 « 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 » 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐆𝐀𝐙𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐘 𝑨𝑴𝑩𝑨𝑻𝑶𝑳𝑨𝑴𝑷𝒀 21-24…