๐๐ˆ๐€๐‘๐€-๐๐ˆ๐„๐๐“๐€๐๐€ ๐๐ˆ๐’๐€๐•๐€ ๐’๐˜ ๐๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐Ž ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐‹๐€๐Š๐€๐-๐ƒ๐‘๐€๐๐Ž ๐๐˜ ๐•๐€๐‡๐Ž๐Š๐€๐’๐€๐Œ๐๐€๐“๐Ž๐๐ƒ๐‘๐€๐™๐€๐Š๐€

341 0
Nirosa avy hatrany tamin’ny asa fisavana sy fanadiovana ireo lakan-drano tamin’ny alalan’ny asa tanamaro ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny Kaominina renivohitra Ambatondrazaka androany Talata 25 Febroary 2025.
Niara nisalahy nanatanteraka izany ny vahoaka teo ambanin’ny fitarihan’ny Ben’ny Tanana RATAFITA Fanantenana sy ireo mpiara miasa aminy sy ny Solombavam-bahoaka ANDRIANASOLO Andrianiaina Jean Patrick sy ireo mpiara miasa aminy ary ny avy ao amin’ny fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro.
Natomboka tany amin’ny Passage, nandalo ny restaurant tsang ary nipaka hatrany amin’ny mada hotel ny asa natao ka nandritra izany no nahitana fa maro tokoa ireo fotodrafitr’asa nahorina teo ambon’ireo lakan-drano ka nisy avy hatrany ny fifampidinihana natao tamin’ireo voakasik’izany mba samy hanadio ny lakan-drano mifanandrify aminy mba hisoroana ny fampiharana ny lalana amin’izy ireo.
Nisaotra tamin’ny fiaraha-mientan’ny rehetra moa ny Ben’ny Tanana ary nanambara fa ho tohizana izao fiaraha-mientana izao ka ho tanterahana isaky ny roa volana.
โœ๏ธ ๐‘ณ๐’๐’—๐’‚ ๐‘ฑ๐’‚๐’๐’‚ฬ€

Related Post

๐€๐ง๐ญ๐š๐ง๐ข๐ง๐š๐ซ๐ข๐ฏ๐จ ๐ค๐ž๐ฅ๐ฒ/๐€๐ง๐ญ๐ฌ๐ข๐š๐Ÿ๐š๐›๐จ๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š: ๐…๐ข๐š๐ซ๐š ๐Ÿ’๐—๐Ÿ’ ๐ฏ๐จ๐š๐๐จ๐ง๐š๐ง’๐ง๐ฒ ย ยป ๐‚๐š๐ฆ๐ข๐จ๐ง ๐ฌ๐ž๐ฆ๐ข-๐ซ๐ž๐ฆ๐จ๐ซ๐ช๐ฎ๐ž.ย ยป ๐๐ข๐š๐ซ๐š ๐ง๐ข๐ฅ๐š๐ญ๐ฌ๐š๐ค๐š ๐ญ๐š๐ง๐ฒ ๐š๐ง๐š๐ญ๐ฒ ๐š๐ง๐ญ๐ฌ๐š๐ง๐š, ๐ฆ๐ฉ๐š๐ฆ๐ข๐ฅ๐ฒ ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ง๐จ ๐ฆ๐š๐ญ๐ฒ ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐ญ๐ซ๐š-๐๐ซ๐š๐ง๐จ, ๐จ๐ฅ๐จ๐ง๐š ๐ž๐ง๐ข๐ง๐š ๐ง๐š๐ซ๐š๐ญ๐ซ๐š.

Posted by - dรฉcembre 11, 2025 0
Araky ny efa notanterin’ny namana mpiara miasa teto amin’ny gazety an’habaka feon’ny demokrasia Madagasikara dia tahakan’izao manaraka izao ny tohin’ny…

RAHARAHA FANAPOHANA SOLIKA

Posted by - octobre 22, 2024 0
Olona 24 tompon’antoka no voasambotry ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam_pirenenana taorian’ny fidinana ifotony natao tamina tokatrano 10…