π”π§π’π―πžπ«π¬π’π­πžΜ 𝐝𝐞 π“π¨πšπ¦πšπ¬π’π§πš: π“πšπŸπšπ©πžπ­π«πšπ€πš 𝐧𝐲 Β«Β π‡πŽπ“ π’ππŽπ“ π–πˆπ…πˆ 𝐦𝐚𝐒𝐦𝐚𝐒𝐦-𝐩𝐨𝐚𝐧𝐚.

2 0
πŸ‘‰ Androany faha 22 novambra 2024, dia nidina ifotony teny amin’ny Campus Barikadimy Toamasina, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, Ramatoa DELMOTTE StΓ©phanie, notronin’ny Mpandrindra ny Sampana miady amin’ny kolikoly eo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Atoa RABOTOMANASA Steve Patrick,nametraka ny WIFI ahafahan’ireo mpianatra misitraka connection internet maimaim-poana.
πŸ‘‰ Ny tanjona dia ahafahan’ireo mpianatra manao fikarohana mifandraika amin’ny fianarana izay ataony. Voavaly ny fangatahan’ny mpianatra satria efa ela iz’ireo no naniry hisitraka Wifi mba ahafahana manao Connection internet. Nisaotra ny Fitondram-panjΓ na ny Filohan’ny UniversitΓ© de Toamasina,Pr DINY Razanakolona. Ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsinanana ihany koa dia nanamafy ny fisaorana ho an’ny Rtoa Minisitra ,satria zava-dehibe ny fanatsarΓ na ny kalitaon’ny fampianarana omena ny mpianatra.

Related Post

SEKOLY AMBONY KATOLIKA ASJA MORAMANGA

Posted by - octobre 1, 2024 0
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy n’y Alatsinainy faran’ny volana septambra teo ny « universitΓ© catholique ASJA MoramangaΒ Β», sekoly Ambony eo ambanin’ny fiahian’i…