Tontosa androany Alarobia 12 Febroary 2025, ny famindram-pitantanana eo amin‘ny « Directeur » CHU TANAMBAO teo aloha Dr ANDRIANIAINA Dells, sy ny « Directeur » CHU TANAMBAO vaovao, Profesora HARIOLY Nirina Osé Judicaël .
Tonga nanotrona ity lanonam- panjakana ity ny Sekretera Jeneraly ny Faritra DIANA, ny PDS Antsiranana , TIANA Edmond, Talem- paritry ny Fahasalamam- bahoaka ( DIANA) ireo olo manan- kaja maro Sivily sy Miaramila, ary ireo mpiasan’ny fahasalamana aty an- toerana.
Tamin’ny firalahiana tanteraka no nanaovana ny famindram- pitantanana.
Tsara ny Manamarika fa efatra taona mahery no nitantanan’ny Dr ANDRIANIAINA Dells ity CHU TANAMBAO Antsiranana ity.