FIANARANTSOA Akon’ny fanamarihana ny datin’ny 11 Febroary

414 0
FIANARANTSOA : Akon’ny fanamarihana ny datin’ny 11 Febroary
 Fahatsiarovana an’i Kolonely Richard Ratsimandrava sy Ireo Mpitandro Filaminana lavo am-perin’asa.
11 Febroary 1975 – 11 Febroary 2025: 50 Taona .
Ny 11 Febroary dia daty manan-danja ho an’ny tantaran’i Madagasikara. Andro natokana hanomezam-boninahitra an’i Kolonely Richard Ratsimandrava, Filoham-panjakana Malagasy, sy ireo mpitandro filaminana rehetra nanao fanompoana feno ho an’ny firenena.
Tao amin’ny Tobin’ny Zandarimariam-pirenena Tsaramandroso no natao ny lanonam-pahatsiarovana ny 50 taona nahafatesan’i Kolonely Richard Ratsimandrava. Nanotrona izany ny miaramila, zandary, polisy, ary ireo tompon’andraikim-panjakana avy ao amin’ny Faritra,ny Prefektiora, ary ny Kaominina Ambonivohitry Fianarantsoa, sy ireo FDS notarihin’Atoa Jeneraly ELIASY ANDRIANANDRASANOMENJANAHARY Jules Ducret sy Kolonely ANDRIANANTENAINA Honoré.
Tsiahy ny tantara: 11 Febroary 1975
Tamin’ny 11 Febroary 1975, nifarana tamin’ny fomba nahatsiravina ny fitondran’i Kolonely Richard Ratsimandrava, dimy andro monja taorian’ny naha-Filoham-panjakana azy. Voatifitra teny Ambohijatovo-Anjohy, Antananarivo, izy nohon’ny fahafoizany tena ho an’ny firenena. Tsaroana mandrakizay ilay teniny feno fahasahiana sy fitiavan-tanindrazana:
“Tsy miamboho adidy aho, Mon Général.” Mpanolo-tanana amin’ny fiarovana ny firenena.
Ho fahatsiarovana ny sorona nataon’i Kolonely Ratsimandrava sy ireo mpitandro filaminana maty am-perin’asa, dia notsariana manokana nandritra ny lanonana ireo zandary efatra (4)mirahalahy lavo nandritra ny taona 2024 teo , teto amin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Fianarantsoa.
Ny mpitandro filaminana dia tsy miamboho adidy, mahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazana, ary mitoetra ho andry fiarovana ny firenena sy ny vahoaka Malagasy.
Goverinoran’ny Faritra Matsiatra Ambony.

Related Post

𝐏𝐑𝐄𝐅𝐄𝐊𝐓𝐈𝐎𝐑𝐀𝐍’𝐈 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀

Posted by - avril 17, 2024 0
𝑭𝑨𝑴𝑬𝑻𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑷𝑨𝑯𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑵𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑳𝑶𝑯𝑨, 𝑴𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑨𝑹𝒀 𝑨𝑶𝑹𝑰𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑭𝑰𝑫𝑰𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑵𝑨𝑻𝑨𝑵𝑻𝑬𝑹𝑨𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑷𝑶𝑳𝑰𝑻𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑵𝑲𝑨𝑷𝑶𝑩𝑬𝑵𝒀 𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑱𝑨𝑲𝑨𝑵𝑨 𝑰𝒁𝑨𝒀 𝑴𝑰𝑭𝑨𝑵𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑨𝑴𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝑽𝑬𝑳𝑰𝑹𝑨𝑵𝑶𝑵’𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑳𝑶𝑯𝑨𝑴-𝑷𝑰𝑹𝑬𝑵𝑬𝑵𝑨 𝑭𝑨𝑴𝑬𝑹𝑬𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒀…