Faritra Menabe Fambolen_kazo no nanombohana ny fankalazana ny 8 Mars 2024

415 0

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 24 febroary tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo tao amin’ny tanana vaovao ao Mantanito fokotany Avaradrova Moronadava ny fankalazana ny andron’ny 8 Martsa ka hetsika maro no hisy toin’ny lalao ara-panatanjahantena handraisan’ireo reny sy vehivavy manana fahasembanana anjara eo koa ny fivavahana iraisam-pinoana sy ny fifaninana mahandro arahina fiofanana ary ny famangina ireo vehivavy voafonja ary fanetanana mikasika ny fandrindram_piterahana fa dia_be sy ny lanonana ofisialy ny andron’ny 8 Martsa izay faranana amin’ny alim-padihizana hafanain’ny mpanakanto Fara Jhones.

Ny lohahevitra amin’ity fankalazana ity moa dia ny hoe :  » Ny vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso » ho an’ny faritra Menabe moa ny lanonana dia tarihin’ny ramatoa Randriariniony Hida Filohan’ny fikamban’ny vehivavy valo Martsa ary eo ambany fiahian’ny fitaleovam-paritrin’ny mponina Menabe .

Nangonin’i RA PA – Menabe

Related Post

𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚. 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 𝐈. 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧- 𝐤𝐚𝐳𝐨.  » 𝐓𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐥𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 ».

Posted by - mars 1, 2025 0
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐕𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚. 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 𝐈. 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧- 𝐤𝐚𝐳𝐨.  » 𝐓𝐚𝐧𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐥𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 ». Ambohipihaonan’ny mpikambana ao amin’ny antoko politika…