Faritra Menabe Fambolen_kazo no nanombohana ny fankalazana ny 8 Mars 2024

525 0

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 24 febroary tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo tao amin’ny tanana vaovao ao Mantanito fokotany Avaradrova Moronadava ny fankalazana ny andron’ny 8 Martsa ka hetsika maro no hisy toin’ny lalao ara-panatanjahantena handraisan’ireo reny sy vehivavy manana fahasembanana anjara eo koa ny fivavahana iraisam-pinoana sy ny fifaninana mahandro arahina fiofanana ary ny famangina ireo vehivavy voafonja ary fanetanana mikasika ny fandrindram_piterahana fa dia_be sy ny lanonana ofisialy ny andron’ny 8 Martsa izay faranana amin’ny alim-padihizana hafanain’ny mpanakanto Fara Jhones.

Ny lohahevitra amin’ity fankalazana ity moa dia ny hoe :  » Ny vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso » ho an’ny faritra Menabe moa ny lanonana dia tarihin’ny ramatoa Randriariniony Hida Filohan’ny fikamban’ny vehivavy valo Martsa ary eo ambany fiahian’ny fitaleovam-paritrin’ny mponina Menabe .

Nangonin’i RA PA – Menabe

Related Post

𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 ; 𝐎𝐍𝐆 𝐒𝐀𝐇𝐈 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝟗𝟕% 𝐓𝐀𝐍𝐉𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - novembre 15, 2024 0
𝑵𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌’𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒍𝒐 𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑶𝑵𝑮 𝑺𝑨𝑯𝑰 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂 15 𝑵𝒐𝒗𝒆𝒎𝒃𝒓𝒆 2025 𝒌𝒂…