Ady Baolina Kitra | Nivoaka sempotra ny FC Lion Belanitra vao nahalavo ny FC Ilafy

572 0

Tontosa ny Alahady 24 Desambra 2023 lasa teo teo amin’ny Kianja Herisetra RAFANODINA, Commune Sabotsy Namehana ny lalao famaranana ny Ady Baolina Kitra nokarakarain’ny MPI.KI.TRA, na ny MPILALAO KITRA TRANAINY, eto SABNAM.

Lalao famarananana izay nifandonan’ny FC Lion Belanitra sy ny FC Ilafy, izay famerenana ny lalao, satria tsy tontosa hatramin’ny farany ny lalao izay natao ny faha 11 Desambra 2023 lasa nohon’ny rotsak’orana be loatra, ka izao naverina izao.

Fantatra fa ekipa 32 no nandray anjara tamin’ity Lalao Baolina  tany am-piandohana, ka ireto Ekipa roa voatonina etsy ambony ireto no tody aty amin’ny famaranana.

Araka ny fanamarihan’Andriamatoa Ben’ny Tanana, , Andriamosa AVOTRAINA dia niakatra ny hahavo teknika sy ny faiza-manaon’ireo Taniketsan’ny Baolina kitra ety avaradrano ireto

Mialohan’ny lalao anefa, dia nisy ny fanomezana Marim-pankasitrahana sy lelavola hoan’i RAZANAMPARANY Ando, izay anisan’ny Ekipa nandrafitra ny Barea nandritra ny lalaon’ny Nosy natao farany teo, Izay marihina hatrany fa Zanaky ny Tanana avy eto Sabotsy Namehana ihany koa izy.

Taorian’izay, velona ny kiririoka, nanomboka avy hatrany ny lalao.

Samy nampiseho ny fahaiza-manao hananany avokoa ny roa tonta, ary hita ho samy manana ny hanitra ho azy, na somary nanindry aza ny ekipan’i FC Lion Belanitra.  Nisy tandrevaka nataon’ny vodi-laharana FC Ilafy, nohararaotin’ireo Mpanafika FC Lion izany, nitsikobana ny arato, iray noho aotra ny baolina.

Namaly bontana ny FC Ilafy, ka nahazo « coup franc » rehefa nisy fanohanana tsy nety nataon’ireo vodi-laharana FC Lion Belanitra, nirivorivo ny daka baolina, nitsikobana koa ny harato , Iray sy Iray ny Baolina.

Dia iny isa iray sy iray iny no nisarahan’ny roa tonta tamin’ny fizaram-potoana voalohany.

Taty amin’ny Fizaram-potoana faharoa, dia nahatafiditra baolina roa nifanesy ny Ekipa FC Lion Belanitra, ary tsy niova intsony isa teny amin’ny tabilao, ka 3 noho iray hatrany ny isa hatramin’ny farany.

Mazava fa nivoaka Mpandresy ny FC Lion Belanitra.

Nisaotra ireo nandray anjara rehetra ny Ben’ny tanana, ary tsy hadinony ny nisaotra manokana ny Orange Madagascar izay nahohanasy nanao tantsoroka nandritra an’iny Open iny

Nangonin’ i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋

Posted by - mai 27, 2025 0
𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋 | 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐒𝐎𝐊𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐎…