Mahajanga: Delegasionina mafonja no hita nanaraka ny filohan’ny fanavaozana ny Repobliakan’i Madagasikara omaly.

19 0

 Efa nigadona tao amin’ny renivohitry ny faritra Boeny omaly hariva ny filohan’ny fanavaozana ny Repobliakan’i Madagasikara ny Kolonely Michaël Randrianirina sy ny vadiny. Hita niara-dia tamin’izy ireo ihany koa ny mpanolotsaina Avon’ny fanavaozana ny Repobliakan’i Madagasikara. Tazana nanotrana ity lanonana manetriketrika any an-toerana ity ny mpikambana maromaro, eo anivon’ny governemanta sy ny filohan’ny Antenimerampirenena, ary ireo solombavam-bahoaka miisa 80.

👉 Marihina hatrany, fa tafapetraka amin’ny fomba ofisialy omaly Alatsinainy faha 25 Mai taona 2026 ny filoha lefitry ny Antenimerampirenena ato anatin’ny faritanin’i Mahajanga Atoa Afakandro CHRISTIAN. Anisan’ny nosalorana samboady ihany koa ireo solombavam-bahoakan’i Madagasikara, voafidy tao Mahajanga voalohany, Analalava, Mitsinjo. Tsy diso anjara nandritra izao lanonana izao ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny lehiben’ny faritra Boeny mpisolo toerana.

👉 Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa teny amin’ny  » Village Touristique Mahajanga no nanatanterahana ny lanonana rehetra voalaza esty ambony.

Zandry be Tantely  & Zandry kely Konka

Related Post

𝐊𝐚𝐧𝐝𝐢𝐝𝐚 𝐇𝐀𝐑𝐈𝐋𝐀𝐋𝐀 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 | 𝐇𝐀𝐍𝐎𝐌𝐄 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐋𝐀𝐅𝐘 𝐌𝐀𝐈𝐌𝐀𝐈𝐌-𝐏𝐎A𝐍𝐀

Posted by - novembre 21, 2024 0
𝐊𝐚𝐧𝐝𝐢𝐝𝐚 𝐇𝐀𝐑𝐈𝐋𝐀𝐋𝐀 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 | 𝐇𝐀𝐍𝐎𝐌𝐄 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐋𝐀𝐅𝐘 𝐌𝐀𝐈𝐌𝐀𝐈𝐌-𝐏𝐎A𝐍𝐀 — Ho fanampiantsika ny tanoran-tsika, dia hisy fampiofanana mikirakira ny 𝐄𝐥𝐞𝐜𝐭𝐫𝐨𝐧𝐢𝐪𝐮𝐞, 𝐏𝐥𝐨𝐦𝐛𝐢𝐞𝐫…