π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€ : ππ€πŒπ€π…π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ€π‘πŽπ•π€ππ€ π„ππ˜ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ πŒπŽπ‘πŽππ“π’πˆπ‘π€πŠπ€ πŒπ€ππ†πˆπ‹π˜ π’π˜ πŒπ€πƒπˆπŽπ‘π€ππŽ 𝐍𝐘 πƒπ„Μπ“π€π‚π‡π„πŒπ„ππ“ 𝐍𝐀𝐕𝐀𝐋 π“πŽπ‹πˆπ€π‘π€

22 0
Amin’izao fankalazana ny alatsinain’ny PentekΓ΄ty izao, dia nampitombo ny fepetra fiarovana eny amin’ny morontsirak’i Mangily sy Madiorano, any Toliara, ny DΓ©tachement Naval Toliara, mba hiantohana ny filaminana sy ny fiarovana ireo mpitsangatsangana sy mpilomano maro mamonjy ny tora-pasika.
Araka ny vaovao voaray, dia nahetsika manokana ireo mpitandro filaminana an-dranomasina sy ireo fitaovana famonjena aina ary vonjy taitra, hiatrehana izay tranga mety hitranga eny an-toerana.
Ireo hetsika ireo dia tanterahina eo ambany fibaikoan’ny Lieutenant de Vaisseau ANDRIANIAINA Marinot LΓ©onid, Kaomandin’ny DΓ©tachement Naval Toliara.
Tanjon’ny hetsika ny hahafahan’ny rehetra mankafy ny ranomasina sy ireo toerana fizahan-tany amin’ny fomba milamina sy azo antoka, sady hisorohana ireo loza mety hateraky ny filomanosana na ny fivezivezena an-dranomasina mandritra izao fotoana fialantsasatra izao.
Manentana hatrany ny tompon’andraikitra mba samy hitandrina sy hanaja ireo toromarika momba ny fiarovana eny amoron-dranomasina ny rehetra.
πŸ“·: Tafika andanomasina
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post